Tobia 4 - Malagasy Catholic Bible

4. I Tobia

1Nataon’i Tobia fa nekena ny fangatahany ka dia efa ho faty izy; koa nantsoiny hankeo aminy i Tobia zanany,

2dia hoy izy taminy: «Henoy ny teny aloaky ny vavako, anaka, ary alatsaho ho toy ny fototra mafy ao am-ponao izy.

3Raha avy izay handraisan’Andriamanitra ny fanahiko, dia aleveno ny vatako, hajao amin’ny andro rehetra iainanao ny reninao;

4fa tsy maintsy tsarovanao ny fijaliana niaretany sy ny loza lehibe nila hanjò azy noho ny aminao, fony izy nitondra anao tao an-kibony.

5Ary raha avy koa izay hahatapitra ny andro iainany, dia aleveno eo akaikiko izy.

6Amin’ny andro rehetra iainanao, manàna an’Andriamanitra tsy miala ao an-tsainao, mitandrema tena mba tsy hinia hanao fahotana na oviana na oviana, na handika ny didin’ny Tompo Andriamanitrao.

7Manaova fiantrana amin’ny anananao, aoka tsy havilinao tsy hijery ny mahantra na dia iray aza ny tavanao, dia tsy hiamboho anao koa amin’izany ny Tavan’Andriamanitra.

8Aoka ho mpiantra, araka izay azonao atao ianao;

9raha manam-be ianao manomeza be, ary raha manan-kely mitandrema tsara mba hizara izany kely izany, an-kazavam-po;

10fa izany no hanangonanao rakitra be ho anao, rehefa avy izay andro fahaporetana.

11Fa manafaka amin’ny fahotana rehetra sy amin’ny fahafatesana ny fiantrana, ary tsy hamela ny fanahy hidina any anatin’ny maizina.

12Ho zary toky lehibe eo anatrehan’Andriamanitra ambony indrindra ny fiantrana, ho an’izay rehetra nanao azy.

13Fadio avokoa, anaka, rehefa mety ho fahalotoana, ary afa-tsy amin’ny vadinao, dia aoka tsy hisy asa mahameloka haninian’ny fieritreretanao anao.

14Aza avela hanjaka ao am-ponao, na amin’ny teninao, na oviana na oviana, ny fiavonavonana, fa io no fototra niandohan’ny ratsy rehetra.

15Raha misy olona miasa ho anao, aloavy miaraka amin’izay ny karamany, fa aza tanana izay karaman’ny mpikarama hijanona ao aminao na dia tapak’andro kely aza.

16Mitandrema tsara mba tsy hanao amin’ny hafa izay mahatezitra anao raha atao aminao.

17Iaraho homana amin’ny noana sy ny mahantra ny haninao, ary ampitafio amin’izay fitafianao ny tsy mitafy.

18Asaovy aroso ny mofo aman-divainao, amin’ny fandevenana ny olo-marina, fa aza mihinana izany na misotro akory miaraka amin’ny mpanota.

19Milà hevitra mandrakariva amin’ny olon-kendry.

20Misaora an’Andriamanitra amin’ny andro rehetra; mangataha Azy hitari-dalana anao, hanambina anao amin’izay kasainao hatao rehetra.

21Mampahalala anao koa aho, anaka, fa fony ianao mbola zazakely, dia nanome vola talenta folo an’i Gabelosa, any Ragesa tanànan’ny Meda aho, ary eto an-tanako izao ny rosia taminy.

22Ka noho izany, miomàna faingana mba handeha mankany aminy haka izany vola izany, dia avereno aminy ny rosia taminy.

23Aza manan-tahotra, anaka. Marina fa fivelomana mahantrahantra no antsika izao, nefa hanan-karem-be isika, raha matahotra an’Andriamanitra sy mandositra ny fahotana rehetra ary manao asa soa.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help