1Aza maniry zaza maro tsy mahasoa,
ary aza mba atao fifalianao, izay zanaka mpankahala fivavahana.
2Raha mihamaro izy, aza mifaly amin’izany,
raha tsy eo amin’izy ireo ny fahatahorana ny Tompo.
3Aza manantena azy ho ela velona
ary aza mahazo toky akory amin’izay fanambinana azony.
Aleo tokana toy izay arivo.
aleo maty tsy miteraka toy izay mamela zanaka mpankahala fivavahana.
4Fa ny olona manan-tsaina anankiray
hahabe mponina ny tany iray,
fa ny taranaky ny ratsy fanahy kosa hofongorana.
5Maro ny ohatra amin’izany efa hitan’ny masoko,
ary mbola misy aza mafimafy kokoa noho izany,
efa ren’ny sofiko.
6Mirehitra eo amin’ny fivorian’ny mpanota, ny afo;
ary mirehitra eo amin’ny vahoaka mpiodina
ny fahatezeran’Andriamanitra.
7Tsy navelan’ny Tompo ny helok’ireo Rapeto fahiny,
izay nitoky tamin’ny herin’ny tenany, ka nikomy taminy.
8Tsy nitsitsy an’ireo niara-nonina tamin’i Lôta izy,
fa halany ireny, noho ny fiavonavonany sahy loatra.
9Tsy nananany indrafo, ny vahoaka voatolotra haringana,
izay indray nofongorana tamin’ny fahotany.
10Nofongorany torak’izany koa,
ny miaramila an-tongotra enina hetsy,
izay niara-nikambana noho ny fahamafisan’ny fony.
11Raha iray no mafy hatoka,
dia mahagaga loatra raha ho afa-maina izy.
Satria samy avy amin’ny Tompo ny indrafo sy ny hatezerana;
mahery mamela heloka Izy, ary manampatra ny hatezerany koa.
12Araka ny haben’ny famindram-pony, no hamafin’ny famaizany.
Hotsarainy araka ny asany ny olona.
13Tsy ho afa-mandositra miaraka amin’ny halany, ny mpanota,
ary tsy hampiato ny andrasan’ny olona tia vavaka.
14Hanampatra ny famindram-pony rehetra Izy,
ka samy handray araka ny asany tsirairay avy.
Valin’ny atao15Aza manao hoe: «Hiafina amin’ny mason’Andriamanitra aho,
ka iza moa no hihevitra ahy, any ambony any?
Ho hadino ao anaty vahoaka ao aho;
satria zinona moa aho, ao anatin’izao zava-boaary tsy hita lany izao?»
16Jereo ange ny lanitra sy ny lanitry ny lanitr’Andriamanitra,
ny hantsana sy ny tany mihozongozona raha tsidihiny.
17Ny tendrombohitra sy ny fanambanin’ny tany,
indray mihorohoro raha jereny,
18Tsy mieritreritra izany anefa ny fon’ny olombelona,
ary zovy moa no mamotopototra izay lalany?
19Tsy tratry ny mason’ny olombelona ny tafio-drivotra:
ary miafina koa ny ankabeazan’ny asan’Andriamanitra.
20Iza no hilaza amintsika ny asan’ny fahamarinany,
ary iza no hiandry izany?
Lavitra loatra ny lalàn’ny famaliana!
21Izany no hevitry ny olona tsy manan-tsaina;
hadalana no hany eretin’ny adala maniasia.
Ny olombelona eo amin’ny zava-boaary22Mihainoa Ahy, anaka, ary mianara ny fahendrena,
ka aoka hotandreman’ny fonao ny teniko.
23Hamosaka aminao fampianarana voalanja
tamin’ny mizana Aho,
ary hampahafantatra anao fahaizana marina.
24Maharitra araka ny nandaminany azy
hatramin’ny voalohany ny asan’Andriamanitra
ary efa navakavahany, hatramin’ny nahariany azy, ny antsinjarany.
25Nasiany ravaka haharitra mandrakizay ny asany;
ary nataony hamirapiratra amin’ny taona mifandimby ny tsara indrindra.
Tsy mahatsiaro noana na hasasarana ireny,
ka tsy mba manapaka ny anjara asany.
26Tsy misy mandona ny mifanakaiky aminy izy,
ary manaraka ny didin’Andriamanitra mandrakariva.
27Manaraka izany, nitsinjo ny tany ny Tompo,
dia nomeny azy ny zava-tsoany.
28Nofenoiny biby isan-karazany ny vohony,
ary ao anatiny kosa no tsy maintsy hiverenan’ireny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.