Levitika 7 - Malagasy Catholic Bible

E. Sorona fanonerana

1«Izao no lalàna momba ny sorona fanonerana: Zava-masina dia masina izany.

2Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.

3Hatolotra daholo ny saborany, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy,

4ny voany roa mbamin’ny fonom-boany izay miraikitra amin’ny faritry ny voany, ny saron’atiny izay hoendahana ao akaikin’ny voany.

5Hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely izany, ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Sorona fanonerana izany.

6Ny lehilahy rehetra amin’ny mpisorona no hihinana amin’izany, ka eo amin’ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany.»

Anjaran’ny mpisorona

7«Sahala amin’ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin’izy roa: an’izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona.

8Ny mpisorona manolotra ny sorona dorana avy amin’ny olona, dia hanana ny hoditry ny zavatra natao sorona dorana avy aminy.

9Ny fanatitra rehetra nendasina tamin’ny lafaoro, na nandrahoina tamin’ny kasirôlina, na tamin’ny lapoaly, dia an’izay mpisorona manolotra azy.

10Ny fanatitra rehetra voadity tamin’ny diloilo, na maina, dia an’ny zanak’i Aarôna rehetra, ka hiara-misalahy izy.»

F. Sorona fihavanana:a) sorona misy fiderana

11«Izao no lalàn’ny sorom-pihavanana haterina ho an’i Iaveh:

12Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin’ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voararaka diloilo, ary lafarina nendasina ho mofomamy voadity tamin’ny diloilo.

13Ary hampiana mofomamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin’ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana.

14Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an’i Iaveh, dia ho an’ny mpisorona izay hamafy ny ran’ny sorom-pihavanana izany.

15Amin’ny andro hanaterana azy ihany no hihinanana ny henan’ny sorom-pisaorana amin’ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina.»

b) Sorona an-tsitrapo

16Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitrapo dia hohanina amin’ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso;

17izay henan-tsorona tavela hatramin’ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ny afo.

Fitsipika ankapobeny

18Raha misy olona mihinana amin’ny andro fahatelo ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahina ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra hihinana amin’izany dia hivesatra ny otany.

19Tsy fihinana ny hena nikasi-java-maloto, fa hodorana amin’ny afo. Fa ny henan’ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin’izany izay madio rehetra.

20Fa izay ao anatin’ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin’ny hena avy amin’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny.

21Ary izay nikasi-java-maloto, na loton’olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, raha mihinana amin’ny henan’ny sorom-pihavanana, izay an’i Iaveh, dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona izany.

22Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

23Mitenena amin’ny zanak’i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran’omby, na ondry, na osy, ianareo.

24Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively.

25Fa na zovy na zovy no mihinana saboram-biby izay aterina amin’i Iaveh hatao sorona amin’ny afo, dia hofongorana amin’ny fireneny.

26Aza mihinana ram-borona, na ram-biby efa-tongotra, na aiza na aiza hitoeranareo.

27Izay mihinan-dra, na ran’inona na ran’inona, dia hofongorana amin’ny fireneny.

Anjaran’ny mpisorona(Jereo Deter 18,3)

28Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:

29Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izay hanatitra sorom-pihavanana ho an’i Iaveh dia hitondra ho an’i Iaveh fanatitra navahana amin’io sorom-pihavanana io.

30Hitondra ao an-tanany izay tsy maintsy haterina atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh, izy, dia hitondra ny sabora mbamin’ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan’i Iaveh;

31ny sabora hodoran’ny mpisorona hanetona eo ambonin’ny ôtely; ary ny tratrany dia ho an’i Aarôna mbamin’ny zanany.

32Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin’ny sorom-pihavananareo.

33Ny feny ankavanana dia ho anjaran’izay iray amin’ireo zanak’i Aarôna hanolotra ny ra aman-tsaboran’ny sorom-pihavanana.

34Fa efa natokako avy amin’ny sorom-pihavanan’ny zanak’i Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotra ho an’i Aarôna sy ny zanany ho anjara asain-kaloan’ny zanak’i Israely ho azy hatrany hatrany.

Famaranana

35Izany no raikitra ho anjaran’i Aarôna noho izy voahosotra, avy amin’ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh.

36Izany no nasain’i Iaveh nomen’ny zanak’i Israely azy ireo, hatramin’ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy aloa tsy tapaka hatrany amin’ny taranany.

37Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana,

38izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin’ny andro nandidiany ny zanak’i Israely hanatitra ny fanatiny amin’i Iaveh tany an’efitra Sinaia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help