1Tamin’ny taona nahafatesan’i Oziasa, mpanjaka, no nahitako ny Tompo, nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina, ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjo.
2Nisy Serafima nitoetra teo anatrehany; manana elatra enina avy: ny roa nisaronany tava; ny roa nisaronany tongotra, ny roa nanidinany.
3Niantso mafy izy ireo, nifamaly ka nanao hoe:
«Masina, masina, masina i Iavehn’ny tafika!
feno ny voninahiny ny tany rehetra.»
4Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.
5Ka hoy aho tamin’izay:
«Loza ho ahy! maty aho!
fa izaho olona maloto molotra;
ary ny firenena itoerako maloto molotra;
nefa aho nahita maso ny Mpanjaka, Iavehn’ny tafika!»
6Kanjo, nanidina nanatona ahy, ny iray tamin’ireo Serafima, nitondra vain’afo teny an-tanany, nalainy tamin’ny tandra, teo ambony ôtely.
7Nakasiny tamin’ny vavako izany, dia hoy izy:
«Jereo, efa voakasik’ity ny molotrao;
ka voaesotra ny helokao, ary voaonitra ny fahotanao.»
8Dia nandre ny feon’ny Tompo aho, nanao hoe:
«Iza no hirahiko,
ary iza no handeha ho anay?»
Ka hoy aho:
«Inty aho; iraho aho.»
9Ary hoy izy:
«Mandrenesa ianareo, fa aza mahafantatra;
aoka hahita ianareo, fa tsy hahazo an-tsaina.
10Ataovy lamodamoka ny fon’ity firenena ity,
ary ataovy lalodalovana ny sofiny,
dia tampeno ny masony,
mba tsy hahita maso izy,
sy tsy handre sofina
ka tsy hibebaka sy tsy ho sitrana».
11Ary hoy aho:
«Mandra-pahoviana, ry Tompo?»
Ka hoy ny navaliny:
«Mandra-paharingan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina,
ka ny trano, tsy hisy olona intsony,
ary ny tany ho rava sy lao;
12mandra-pitondràn’i Iaveh ny olona any lavitra,
ka ho be ny lao amin’ny tany.
13Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo,
dia mbola haripaka indray ihany koa ireo.
Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka,
rehefa voakapa mbola manam-pototra;
ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.