Salamo 71 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 71 (Volgata 70)Vavak’olona antitra

1Ianao, ry Iaveh, no nataoko fialofako,

aoka tsy ho menatra na oviana na oviana aho!

2Vonjeo amin’ny fahamarinanao aho, ka afaho!

Atongilano amiko ny sofinao, ka vonjeo aho!

3Aoka Ianao ho vatolampy tsy azo hanihina ho ahy,

izay ho azoko handosirana mandrakariva.

Efa nandidy ny hamonjy ahy Ianao,

fa Ianao no Vatolampiko sy Trano mimandako.

4Ry Andriamanitra ô, afaho aho amin’ny tanan’ny ratsy fanahy,

amin’ny tanan’ny olon-tsy marina sy masiaka.

5Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Iaveh,

Ianao no ipetrahan’ny fitokiako hatramin’ny fahatanorako!

6Ianao no iankinako hatramin’ny aho fony vao teraka;

Ianao izay mamoaka ahy avy any am-bohoka

ka Anao ny fiderako mandrakizay!

7Tonga toa zava-mahagaga aho eo imason’ny vahoaka,

kanjo Ianao no fiarovana mafy ho ahy.

8Ho feno fiderana Anao anie ny vavako,

hankalaza ny hasoavanao isan’andro anie izy.

9Aza arianao aho amin’ny andron’ny fahanterako;

ary aza ilaozana rehefa mihena ny heriko.

10Fa miray tetika hamely ahy ny fahavaloko,

ary miara-mioko, izay mikendry ny aiko,

11manao hoe: «Efa nafoin’Andriamanitra izy! Enjeho,

sambory, fa tsy misy izay hiaro azy!»

12Ry Andriamanitra ô, aza manalavitra ahy;

ry Andriamanitra, faingàna hamonjy ahy!

13Aoka ho menatra sy ho levona,

izay mitady ny aiko!

Aoka ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka,

izay mitady hahavery ahy.

14Fa izaho dia hanantena mandrakariva,

ary mbola hampitomboiko indray ireo fiderana Anao rehetra.

15Ny vavako hitory ny fahamarinanao,

mbamin’ny fanambinanao tontolo andro;

fa tsy hitako izay isan’izany.

16Hilaza ny asanao lehibe aho, ry Tompo Iaveh ô,

hampahatsiaro ny fahamarinanao aho, dia ny Anao irery.

17Ry Andriamanitra, nampianarinao hatry ny fony mbola tanora aho

ary mitory ny fahagaganao, mandraka ankehitriny!

18Mandra-pahatongako ho antitra sy fotsy volo,

aza ilaozanao aho Andriamanitra,

mba hampahafantarako ny herinao amin’ny taranaka ankehitriny,

ary ny fahefanao amin’ny taranaka ho avy.

19Mahatakatra ny lanitra ny fahamarinanao, ry Andriamanitra,

Ianao izay mahefa ny zava-dehibe!

- Iza no tahaka Anao, ry Andriamanitra? -

20Ianao izay efa nampihatra fizahan-toetra betsaka sy mahatsiravina.

Nefa mbola hamelona anay indray Ianao,

ka hampiakatra anay avy amin’ny hantsan’ny tany.

21Hasandratrao indray ny voninahitro,

ary hampionona ahy indray Ianao.

22Dia hoderaiko amin’ny feom-baliha,

hohiraiko ny fahamarinanao, ry Andriamanitra ô!

hankalaza Anao amin’ny harpa aho, ry Masin’i Israely!

23Ka amin’ny hihiràko ho Anao, dia eo amin’ny molotro ny firavoravoana,

sy ho ao amin’ny fanahiko izay novonjenao.

24Ary hitory ny fahamarinanao isan’andro ny lelako;

fa ho safo-kenatra amam-pahafaham-baraka kosa

izay mitady fahaverezana ho ahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help