1 Ho an’ny mpampianatra hira. Amin’ny hira hoe Fahafatesana ho an’ny zanaka lahy . Salamon’i Davida.
Alef2Hidera an’i Iaveh amin’ny foko rehetra aho,
hanambara ny zava-mahagaga rehetra nataonao.
3Hifaly sy hientan-kafaliana aminao aho,
hihira ny Anaranao aho, ry Avo indrindra ô!
Bet4Lasa mihemotra ny fahavaloko,
mandraingiraingy izy, dia lavo teo anatrehan’ny Tavanao.
5Satria efa nataonao mahery ny rariny ananako sy ny adiko,
nipetraka ho mpitsara marina Ianao, teo amin’ny seza fiandriananao.
Gimel6Nofaizinao ny firenena, naringanao ny tsy mpivavaka,
nokosehinao ho faty mandrakizay antaranoana ny anaran’ireny.
7Levona ny fahavalo! faharavana haharitra mandrakizay!
Tanàna nofongoranao!
Very mbamin’ny fahatsiarovana azy.
He8Fa i Iaveh kosa mipetraka mandrakizay,
efa voatsangany ny sezany hitsarany;
9ka mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana Izy,
mitsara ny firenena amin’ny fahitsiana
Vao10I Iaveh dia fiarovana ho an’ny ampahorîna,
fiarovana ho amin’ny andron’ny fahoriana.
11Ianao no itokian’izay mahalala ny Anaranao
fa tsy mandao izay mitady Anao Ianao, ry Iaveh.
Jain12Mankalazà an’i Iaveh izay mitoetra any Siôna,
ambarao amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
13Satria izay manadina ny ra nalatsaka dia nahatsiaro izany;
tsy nanadino ny fitarainan’ny tra-pahoriana.
Het14Mamindrà fo amiko, ry Iaveh, hoy ireny;
jereo ity fahoriana amelin’ny fahavaloko ahy
fa Ianao no mampiverina ahy avy amin’ny vavahadin’ny fahafatesana,
15mba hahazoako mitory ny fiderana rehetra,
eo am-bavahadin’ny zanaka vavin’i Siôna,
sy hientan-kafaliana noho ny famonjenao.
Tet16Latsaka tamin’ny lavaka nohadiny ny firenena;
voan’ny fandrika harato nafeniny ny tongony.
17Fa niseho i Iaveh nanao ny fitsaràny,
ka ny asan-tanan’ny ratsy fanahy ihany no naningorany
azy. - Higaiona.
- Selà
Iôd18Miverina ho any amin’ny Seoly ny ratsy fanahy,
ny firenena rehetra izay manadino an’Andriamanitra.
19Fa ny malahelo tsy mba hadinoina hatrany hatrany;
ny fanantenan’ny ory tsy rava mandrakizay.
Kaf20Mitsangàna, ry Iaveh, aoka tsy ho ny olombelona no hahery;
aoka hotsaraina eo anatrehan’ny Tavanao ny firenena!
21Asio fangorohoroana ireny, ry Iaveh ô,
aoka ho fantatry ny firenena fa olombelona ihany izy!
- Selà
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.