Ohabolana 24 - Malagasy Catholic Bible

Halaviro ny olon-dratsy sy ny adala

1Aza mialona ny ratsy fanahy,

na maniry hiaraka aminy akory.

2Fa fandozàna no saintsainin’ny fony,

ary fampahoriana no mahavantam-bava azy.

3Ny fahendrena no itsanganan’ny trano,

ary ny fahalalana no iorenany mafy.

4Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny,

amin’ny harena soa sy mahafinaritra rehetra.

5Feno hatanjahana, rehefa olon-kendry,

ary maneho hery lehibe, izay manam-pahaizana.

6Fa ny fahamalinana no itarihanao ny ady,

ary ny mpanolo-tsaina maro no isian’ny famonjena.

7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena,

tsy mba mahaloa-bava izy, eo am-bavahady;

8Izay misaintsaina hanao ratsy,

no atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.

9Ota no fikasan’ny adala,

ary fahavetavetana eo imason’ny olona mpamazivazy.

10Raha osa amin’ny andron’ny fahoriana ianao,

dia fahosana ihany ny herinao.

11Afaho izay entina hovonoina ho faty;

ary vonjeo izay mandroso mangozohozo entin-kovonoina.

12Raha hoy ianao: «Tsy mahalala izany anie izahay!»

moa tsy mahita izany va Ilay mandanja ny fo?

tsy mahalala izany va, Ilay mitandrina ny fanahinao?

ary tsy hovaliany araka ny nataony avy va ny olona rehetra?

13Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany,

ho mamy eo am-bavanao ny takela-tantely.

14Ary fantaro fa torak’izany ny fahendrena ho an’ny fanahinao;

ka raha mahazo azy ianao, dia hanan-kiafarana,

ary tsy ho foana ny fanantenanao.

15Aza manotrika eo amin’ny fonenan’ny marina, ry ilay ratsy;

ary aza mandrava ny toerana fitsaharana,

16fa ny marina, lavo impito, nefa tafarina ihany;

ny ratsy fanahy kosa avarina amin’ny loza.

17Aza mifaly raha lavo ny fahavalonao;

ary aza miravoravo fo amin’ny faharavàny,

18fandrao hitan’i Iaveh izany, ka ratsy eo imasony,

dia haviliny tsy ho any aminy, ny hatezerany.

19Aza sosotra noho ny amin’ny ratsy fanahy,

na mialona an-dry zareo olon-dratsy,

20fa tsy manan-kiafarana ny manao ratsy,

ary ho faty ny jiron’ny ratsy fanahy.

21Anaka, matahora an’i Iaveh sy ny mpanjaka,

ary aza mba miharoharo amin’ny olona mpanakorontana.

22Fa hidona tampoka ny lozan’ireny,

ary iza moa no mahalala izay hanjò azy isany?

4. TOHIN’NY TAHIRIN-TENIN’OLON-KENDRY

23Izao manaraka izao no avy amin’ny hendry:

Tsy mety ny mizaha tavan’olona amin’ny fitsarana.

24Izay milaza amin’ny ratsy hoe: «Marina ianao,»

dia hozonim-bahoaka, ho halam-pirenena.

25Fa izay mamay azy kosa ankalazaina,

mirotsaka aminy ny tso-drano amam-pahasambarana.

26Manoroka ao amin’ny molotra,

izay mahavoaka valy marina.

27alamino ny asanao eo ivelany;

ny sahanao aloha no iraiketo asaina,

vao izay no manao ny tranonao ianao.

28Aza mba mety ho vavolombelona foana, hamely ny namana,

fa ianao angaha te hamitaka amin’ny molotrao?

29Aza manao hoe: «Hataoko aminy izay nataony tamiko;

hovaliako araka ny nafitsony iny olona iny.»

30Nandalo ny sahan’ny kamo aho,

sy nanamorona ny tanimboaloboky ny adala.

31Ka indro tsilo no maniry hatraiza hatraiza,

roy no mandrakotra eny rehetra eny,

mirodana koa ny tamboho vato aminy.

32Nijery aho, ka nandinika tao am-poko,

nieritreritra aho, ka izao no fianarana nalaiko tao:

33Torimaso kely ihany, firendremana kely ihany,

ohon-tanana kely hatory,

34dia indro, tonga toy ny jiolahy ny fahantranao,

ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fanananao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help