Ohabolana 6 - Malagasy Catholic Bible

Antoka diso toerana

1Anaka, raha niantoka ny sakaizanao ianao,

raha nametra-teny hiantoka ny hafa,

2raha voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,

sy azon’ny teny naloaky ny vavanao,

3dia izao no mba ataovy, ry havako: mitsoaha amin’izany!

Matoa latsaka eo an-tanan’ny namanao ianao,

dia mandehana mihohoka aminy ary mandodona azy mafy!

4Aza avela hatory ny masonao,

na ho rendremana akory ny hodi-masonao;

5mitsoaha, toy ny serfa vavy eo an-tanan’ny mpihaza;

toy ny vorona eo an-tanan’ny mpamandrika.

Ny kamo sy ny vitsika

6Mandehana mankany amin’ny vitsika, ry ilay kamo;

diniho ny lalany ka mbà hendry.

7Tsy mana-mpifehy izy,

na mpitandrina ny ataony, na mpanjaka,

8nefa fahavaratra izy mamory hanina,

manangona ny fivelomany izy amin’ny fijinjana.

9mandra-pahoviana no mbola handrianao, ry ilay kamo,

rahoviana ianao no vao hifoha amin’ny torimasonao?

10Torimaso kely, faharendremana kely,

fanohonan-tanana kely eo am-pandriana.

11Dia ho tonga toy ny mpivahiny ny fahantranao,

ary toy ny lehilahy mitam-piadiana ny tsy fahampian-kanina!

Ny tsy misaina

12Ny olona ratsy fanahy, ny olona tsy marina,

dia mandroso, ka ao am-bavany ny faharatsiana;

13Mipipy maso, mihehy amin’ny tongony,

manao famantarana amin’ny rantsan-tanany.

14Ao am-pony ny faharatsiana,

misaintsaina ny ratsy lalandava izy,

ary manangana ady.

15Koa ho avy tampoka ny faharavàny;

ho torotoro tampoka tsy azo sitranina izy.

Ny zavatra fito fankahala

16Misy zavatra enina halan’i Iaveh,

misy fito no ataony fahavetavetana:

17ny maso miavonavona, ny lela mandainga,

ny tanana mandatsa-dra tsy manan-tsiny,

18ny fo mamoron-tsain-dratsy,

ny tongotra faingam-piriotra hanao ratsy,

19ny vavolombelona tsy marina mamoaka lainga,

ary ny mamafy ady amin’ny mpirahalahy.

Anatra tohizin’ny ray

20Anaka, tandremo ny didin-drainao,

ary aza ariana ny fampianaran-dreninao.

21Fehezo eo ambonin’ny fonao mandrakariva ireo,

ary afatory eo amin’ny vozonao.

22Hitarika anao amin’izay halehanao,

hiambina anao amin’ny torimasonao,

ary hiresaka aminao amin’ny fifohazanao.

23Fa jiro ny didy, fahazavana ny lalàna,

ary lalan’aina ny fananarana mahahendry.

24Hiaro anao amin’ny vehivavy ratsy fanahy izy,

dia amin’ny lela mandrobon’ny vehivavy an’olon-kafa.

25Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao,

ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.

26Fa vehivavy janga no mila tsy hananan’ny olona sombi-mofo;

ary vehivavy manam-bady no tonga fandriky ny aina sarobidy.

27Mety hisy ve ny olona toy izao:

hisy olona hanao afo amin’ny tratrany,

ka tsy ho may ny akanjony?

28Na hoe hisy olona handeha ambony vain’afo mivaivay,

ka tsy ho may ny tongony?

29Toy izany izay mankamin’ny vadin’ny namany:

rehefa mikasika azy izy tsy maintsy hitondra faisana.

30Tsy misy manafòka ny mpangalatra mandroba

hialany hanoanana, raha tsy manan-kohanina izy;

31raha azo, dia hanonitra avo fito heny izy,

ka hanome ny fananany rehetra ao an-tranony.

32Fa tsy misy saina kosa izay manangy vehivavy,

manary tena izay olona manao izany;

33fery amam-pahafaham-baraka no hany azony,

sady tsy hiala aminy intsony ny fanazimbana.

34Fa entin’ny hasarotam-piaro ny lehilahy nalainy vady dia misafoaka:

ka tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliany faty.

35Tsy hasiany raharaha akory izay vola fanavotana;

tsy horaisiny na ataonao miavosa aza ny fanatitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help