1 Nataon’i Salômôna.
Ry Andriamanitra ô; tolory ny fitsarànao, ny mpanjaka,
ary ny fahamarinanao, ny zanaky ny mpanjaka.
2Aoka hitondra ny vahoakanao, araka ny rariny,
sy ny mahantranao, araka ny hitsiny!
3Aoka hahavokatra fiadanana ho an’ny vahoaka ny tendrombohitra,
torak’izany ny havoana, amin’ny fahamarinana.
4Hanomezany rariny ny olona ory eo amin’ny vahoakany,
sy hamonjeny ny zanaky ny mahantra,
ary hanorotoroany ny mpampahory!
5Aoka hanaja Anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro,
raha mbola mihiratra koa ny volana, hatramin’ny taona mifandimby.
6Aoka izy hidina, toy ny ranonorana amin’ny ahi-maitso,
toy ny tandrifin-drahona manondraka ny tany.
7Ka amin’ny androny dia aoka ho finaritra ny olo-marina,
amim-piadanana feno, mandra-pitsahatry ny fisian’ny volana.
8Hanjaka hatramin’ny ranomasina iray ka hatramin’ny ranomasina hafa Izy,
ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.
9Hiankohoka eo anatrehany ny mponina any an’efitra;
ary ho lavo amin’ny tany ny fahavalony.
10Handoa hetra ny mpanjakan’i Tarsisa sy ny nosy;
hanolotra fanatitra ny mpanjakan’i Sabà sy Merôe;
11hiankohoka eo anatrehany ny mpanjaka rehetra,
hanaiky Azy ny firenena rehetra.
12Fa hanafaka ny mahantra mitaraina aminy Izy;
sy ny ory tsy manan-kamonjy akory.
13Hiantra ny fadiranovana sy ny tsy manana Izy,
ary hamonjy ny ain’ny mahantra.
14Hoesoriny amin’ny fampahoriana amam-panaovana an-keriny ireny,
ary ho sarobidy eo imasony ny ran’izy ireny.
15Dia ho velona ireny, ka hanatitra volamena
avy any Sabà ho Azy;
hanao voady ho Azy mandrakariva, ary hisaotra Azy isan’andro.
16Ny vary, aoka ho vokatra betsaka amin’ny tany
hatrany an-tampon’ny tendrombohitra!
Ny salohim-bary, aoka hisahondrahondra hoatry ny alan’i Libàna!
Ny olona, aoka hirobona ao amin’ny tanàna toy ny ahitra any an-tsaha.
17Aoka haharitra mandrakizay ny Anarany!
Aoka hiely laza ny Anarany, raha mbola mihiratra koa ny masoandro!
Aoka ho aminy no itadiavan’ny olona fanambinana!
Aoka ny firenena rehetra hiantso Azy hoe: Sambatra!
18Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitra, Andriamanitr’i Israely,
izay hany manao fahagagana!
19Hisaorana mandrakizay anie ny Anarany be voninahitra!
Ho feno ny voninahiny anie ny tany rehetra.
Amen! Amen!
20Tapitra ny vavak’i Davida zanak’i Izaì.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.