Jôba 7 - Malagasy Catholic Bible

1Andro fanompoana, ny fiainan’ny olombelona eto an-tany,

ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.

2Toy ny mpanompo maniry alokaloka,

toy ny mpikarama miandry ny karamany,

3mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory,

sy nanana izay anjara alina mampijaly.

4Fa nony handry aho manao hoe:

‹Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?›

dia nandry andriran’antsy foana eo aho,

mandra-pahazavan’ny andro.

5Ny nofoko rakotra olitra aman-tako-pery vasoka,

ny hoditro mitsefatsefaka, sady ivoaha-nana.

6Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko,

dia lany: tsy misy fanantenana intsony!

7Andriamanitra ô, tsarovy fa fofona kely foana ny aiko!

ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko.

8Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony;

ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.

9Mihahaka dia levona ny rahona:

toy izany koa izay midina ho any amin’ny Seoly dia tsy hiakatra intsony;

10tsy hody ao an-tranony intsony izy,

ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany teo aloha.

11Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho;

fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko,

handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko.

12Ranomasina va aho, sa biby dia an-dranomasina,

no dia asianao fefy avokoa ny manodidina ahy?

13Nony injay aho mba milaza hoe: ‹Hampionona ahy ny farafarako,

hampitony ny fitarainako ny fandriako›,

14injay kosa Ianao mampitahotra ahy amin’ny nofy;

mampivadi-po ahy amin’ny tsindrimandry.

15Endrey! Aleon’ny fanahiko alàna aina an-keriny;

ny taolako miantso ny fahafatesana!

16Ny tenako voan’ny fihalevonana;

ny aiko mitsoaka amiko

ho amin’ny mandrakizay:

avelao re aho; fa fofona foana ny androko.

17Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ,

fa mba mety hikarakara azy Ianao,

18mamangy azy isa-maraina

ary zahanao toetra isan-tapak’andro?

19Rahoviana re no hitsahatra ny fijerenao ahy?

Rahoviana re no havelanao aho, mba hisy hitelemako ivy?

20Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao,

ry Mpiandry ny olombelona ô!

Nahoana no dia apetrakao hiantefan’ny zana-tsipìkanao aho,

ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako?

21Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko?

Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako?

Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho,

ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help