Jôba 30 - Malagasy Catholic Bible

B. Ny fahoriana ankehitriny.

1Fa ankehitriny kosa aho, fihomehezan’ny olona tanora noho izaho,

izay tsy ho noraisiko akory ny rain’izy ireo fahizany,

hatao eo amin’ireo amboa miandry ny ondriko.

2Ho nataoko inona moa ny herin-tsandrin’ireny?

tsy manan-kavitrìhana akory ireny.

3Kaozatry ny fahoriana aman-kanoanana izy,

dia miraotra ny efitra,

izay tany karankaina, tsy misy zava-maniry hatrizay ela izay.

4Mitsongo tsimo-kazo mangidy any amin’ny hazo kely milobolobo izy,

ary tsy manan-kanina afa-tsy ny fakan-kofafambohitra.

5Roahina tsy ho eo amin’ny fikambanan’olombelona izy;

sady iantsoantsoana toy ny amin’ny mpangalatra.

6Ka dia monina any an-dohasaha mahatsiravina,

any amin’ny zohin-tany sy any amin’ny haram-bato.

7Antsoantson’olon-dia no re ataony any an-kirihitrala,

ary mitangorona mandry any anaty roimainty izy.

8Olona adala sy taranaky ny tsy misy hajany ireny,

ka roahina amim-panesoana amin’ny tany onenana.

9Kanjo izaho indray izao no ataony an-kira,

ataony ambentinteny,

10ataony zava-betaveta aho, andosirany:

tsy aviliny tsy hankamin’ny tavako ny tsipi-drorany.

11Manaram-po foana izy manevateva ahy,

tsy mahalala fetra eo anatrehako.

12Olona tsinontsinona no mitsangana eo ankavanako,

ka mitady hanosika ny tongotro,

misava ny lalana hamonoana hatraty amiko.

13Dia noravany ny lalako;

ny handringana ahy no imasoany,

izy ireo izay tsy ho nanana olo-mamonjy.

14Toy ny amin’ny fefy banga be no irotsahany amiko,

dia miantoraka ao amin’ny korontan-javatra.

15Ka voasaron’ny fampahatahorana aho;

ny fahafinaretako voafaoka toy ny rivotra,

ny fiadanako nandalo toy ny rahona.

16Ary ankehitriny ny fanahiko mihanaka toy ny rano ao anatiko,

ny andron’ny fahoriana mangeja ahy.

17Ny alina misikotra ny taolako, mihinana azy:

ny loza mikiky ahy tsy mitsahatra.

18Noho ny hamafiny efa tsy mitana ny endriny intsony ny akanjoko,

fa mangeja ahy toy ny akanjo vity;

19nazeran’Andriamanitra ao anaty fotaka aho,

ka tahaka ny vovoka aman-davenona aho izao.

20Mitaraina aminao aho, nefa tsy valianao akory;

mitsangana aho, nefa jerenao fotsiny.

21Tonga loza be amiko Ianao;

asianao amin’ny herin’ny sandrinao rehetra aho.

22Alainao aho, ampanidininao araka izay itondran’ny rivotra ahy aho,

ary foananao amin’ny fifofofofon’ny tafio-drivotra.

23Satria, fantatro izany, fa entinao ho amin’ny fahafatesana aho;

any amin’ny ifamotoanan’ny manana aina rehetra.

24Kanefa tsy hanandra-tanana va izay efa ho faty,

ary tsy handefa feo miantso va izay mby an-tanan-doza?

25Tsy efa nandatsa-dranomaso tamin’ny ory va aho?

Tsy efa nangoraka ny mahantra va ny foko?

26Nanandrandra fiadanana aho, ka fahoriana no tonga,

nanantena fahazavana aho, ka haizina no mitranga.

27Mandevilevy tsy mety miato ny tsinaiko;

mifàntoka amiko ny androm-pahoriana.

28Mitsaitsaika amim-pisaonana, tsy misy masoandro aho;

matoa mitsangana aho eo am-pivoriana, dia handefa fitarainana foana.

29Nanjary rahalahin’ny amboadia aho,

sy tonga naman’ny zanak’ostritsa.

30Ny hoditro mihelakelaka, mivolom-balala maty;

ny taolako mirehitra azon’ny afo ao anatiny.

31Tsy mandefa afa-tsy feom-pisaonana ny lokangako,

ary feo mitoreo ihany no avy amin’ny sodiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help