1Mpanjaka 14 - Malagasy Catholic Bible

4. NY FANJAKANA ROA HATRAMIN’I ELIATohin’ny fanjakan’i Jerôbôama voalohany (931-910)

1Tamin’izany andro izany, dia nandraiki-narary i Abià zanak’i Jerôbôama,

2ka hoy i Jerôbôama tamin’ny vavy: «Raha sitrakao, mitsangàna ka manovà endrika, mba tsy ho fantatra ho vadin’i Jerôbôama ianao, dia mankanesa any Silao. Indro fa ao i Ahiasa mpaminany, ilay nilaza tamiko ny hanjakako amin’ity firenena ity.

3Mitondrà mofo folo sy mofomamy ary tantely iray tavoara, dia midira ao aminy, fa hambarany aminao izay tsy maintsy hahazo ny zaza.»

4Dia nanao araka izany ny vadin’i Jerôbôama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon’i Ahiasa. Tsy nahajery intsony i Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon’ny fahanterana ny masony.

5Efa nilazan’i Iaveh anefa i Ahiasa, nataony hoe: «Indro tamy ny vadin’i Jerôbôama mba hahazo teny indraimbava aminao ny amin’ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rehefa tonga.»

6Nony ren’i Ahiasa ny fingadongadon’ny tongony, ilay nandingana ny varavarana iny izy, dia hoy izy; «Mandrosoa, ry vadin’i Jerôbôama, nahoana ianao no mody ho olon-kafa? Voatendry hitondra hafatra mafy aminao aho.

7Mandehana lazao amin’i Jerôbôama hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely: Nanandratra anao avy amin’ny vahoaka aho, ka nanangana anao ho filohany amin’i Israely vahoakako.

8Nendahako tamin’ny tranon’i Davida ny fanjakana, ka nomeko anao. Kanjo ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra, ary tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko;

9fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!

10Noho izany, indro kosa Aho hitarika ny loza ho amin’ny tranon’i Jerôbôama, haringako avokoa ny lehilahy izay an’i Jerôbôama, na ny andevo na ny olona afaka, amin’i Israely, hataoko hoatra ny famafa diky ny famafa ny tranon’i Jerôbôama mandra-pahalevony tsy misy intsony.

11Ka ny tamingan’i Jerôbôama maty an-tanàna hohanin’ny alika; ary izay maty an-tsaha hohanin’ny voromanidina; satria efa niteny i Iaveh.

12Ary mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao, ary raha vao miditra ao an-tanàna ny tongotrao, dia ho faty ny zaza.

13Hitomany azy i Israely rehetra, dia halevina izy, satria izy irery no mba tamingan’i Jerôbôama ho voapetraka am-pasana, satria izy irery no tamingan’i Jerôbôama nahitana soa vitsivitsy teo imason’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

14Ary i Iaveh hanangana mpanjaka amin’i Israely, izay handringana ny taranak’i Jerôbôama, amin’izany andro izany.

15Adre! Sahady lahy! Hataon’i Iaveh toy ny fihozongozon’ny volotara ao anaty rano, no famely an’i Israely; hotsoahany amin’ity tany soa nomeny ny razany ity i Israely, ka haeliny any an-dafin’ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an’i Iaveh.

16Hanolotra an’i Israely izy noho ny fahotan’i Jerôbôama, izay nataon’ny tenany sy izay nampanaoviny an’i Israely.»

17Dia nitsangana ny vadin’i Jerôbôama ka niainga nandeha izy, dia tonga tany Tersà. Ilay nandingana ny tokonam-baravaran-trano iny izy, dia maty ny zaza.

18Nalevina izy ary nitomanian’i Israely rehetra, araka ny tenin’i Iaveh, izay nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpaminany mpanompony.

19Ny sisa tamin’ny zavatra nataon’i Jerôbôama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.

2022 taona no andro nanjakan’i Jerôbôama. Dia nody mandry any amin’ny razany izy. Ary i Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.

Fanjakan-dRôbôama (931-913)

21I Rôbôama zanak’i Salômôna nanjaka tamin’i Jodà. Efa 41 taona izy vao nanjaka tao Jerosalema, tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany; Naamà Amônita no anaran-dreniny.

22Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh i Jodà, ka nampahasaro-piaro Azy tamin’ny fahotana nataony, mihoatra noho izay nataon’ny razana.

23Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin’ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin’ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny.

24Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.

(Jereo 2Tan 12,2, 9-11)

25Tamin’ny taona fahadimin’ny nanjakan-dRôbôama, dia niakatra namely an’i Jerosalema i Sesàka, mpanjakan’i Ejipta.

26Nobaboiny ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, dia lasany daholo. Nalainy avokoa ny ampinga volamena rehetra nataon’i Salômôna.

27Ary ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireny, ka nataony teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.

28Ka isaky ny mankao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka, dia nentin’ny mpiambina izany, vao naveriny ho any an’efitranon’ny mpihazakazaka indray.

29Ny zavatra sisa nataon-dRôbôama, mbamin’izay rehetra vitany, moa tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?

30Niady mandrakariva i Rôbôama sy i Jerôbôama.

31Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama, ka nalevina tao akaikin’ny razany tao an-tanànan’i Davida. Ny anaran-dreniny dia Naamà Amônita, ary i Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help