1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
2Manaova hira fitomaniana an’i Tira ianao, ry zanak’olona,
3ka lazao amin’i Tira hoe: Ianao ry ilay mitoetra eo amin’ny vava-ranomasina, izay nifankahazo varotra amin’ny firenena, any amin’ny nosy maro, izao no lazain’ny Tompo Iaveh:
Tira ô, ianao nanao hoe: Baondy tsy resy aho amin’ny hatsaran-tarehy;
4ny fanjakanao eo amin’ny ranomasina;
izay nandrafitra anao, nanao anao ho tsara tarehy mahagaga.
5Hazo sipresa avy any Sanira no nandrafetany
ny hazo fisaka rehetra aminao;
sedera nalaina tany Libàna,
no nataony salazana ho anao.
6Oaka avy any Basàna
no nanaovany fivoy ho anao;
ny bànao nataony tamin’ny ivoara voapetaka amin’ny boisy,
avy amin’ny nosy Sitima.
7Rongony fotsy madinika avy any Ejipta,
mbamin’ny amborodaony
no natao lain-tsambo ho anao,
sady natao faneva ho anao;
ny hiasinta sy ny lamba mena mangatrakatraka
avy any amin’ny nosy Elisà
no lamba temitra ho anao.
8Ny mponina ao Sidona sy Arvada
no mpivoy ho anao,
ary ny olon-kendry izay eo aminao, ry Tira,
no mpanamory ho anao.
9Ny tranainy avy any Giblioma sy ny olon-kendriny dia teo aminao, mpamboatra ny vakivaky aminao.
Tao aminao avokoa ny sambo aman-tsambo eny amin’ny ranomasina, hanakalo ny entam-barotrao.
10Na Persa, na Lidianina, na Libianina, dia samy isan’ny miaramilanao. Ireny no lehilahy mpiadinao; nahantony teo aminao ny satroka fiarovana aman’ampinga, nampanetriketrika ny voninahitrao izy, mahamendrimendrika anao erỳ.
11Ny terak’i Arvada sy ny miaramilanao dia teo ambonin’ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no teo amin’ny tilikambonao; nahantony teo amin’ny mandanao manodidina ny ampingany, ka nahalavorary ny hatsaran-tarehinao.
12I Tarsisa nifampivarotra taminao, tamin’ny hareny isan-karazany: volafotsy, vy, fira-potsy amam-pira-mainty, izay nataony vidin’ny entanao.
13I Javàna, i Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain’olona sy fanaka varahina, no nanefany ny volanao aminy.
14Ry zareo taranak’i Tôgôrmà, dia soavaly mpitarika kalesy, soavaly fitaingina, ary mole, no nandoavany ny vidin’ny entanao.
15Ny terak’i Dedana nifampivarotra taminao; ny varotra tamin’ireo nosy maro, teo am-pelatananao: ny naloany ho vidiny dia tandroka ivoara sy hazo mainty.
16I Arama nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao; vatosoa, jaky, amborodao, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy.
17I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.
18I Damasa nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao, sy ny habetsahan’ny fanananao, izay notakalozany ny divain’i Helbôna sy ny volon’sondrin’i Tsakara.
19I Vedàna sy i Javàna any Ozaly, dia vy voatefy no nividianany ny entam-barotrao; kasy sy veromanitra no nanefany ny volanao aminy.
20I Dedana nifampivarotra taminao ny amin’ny lamban-tsoavaly fanao hitaingenan-tsoavaly.
21I Arabia sy ny andriana rehetra tany Sedara nifampivarotra taminao; ondry sy ondralahy aman’osilahy no nifampivarotany taminao.
22Ny mpandranto avy any Sabà sy Reemà nifampivarotra taminao; izao zava-manitra tsara indrindra rehetra izao sy izao vatosoa isan-karazany rehetra izao mbamin’ny volamena koa no nandoavany ny vidin’ny entanao.
23I Haràna, i Sene sy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:
24zavatra fanao ravaka no nataon’ireo varotra taminao; kapaoty jaky, volomparasy, lamba misy amborodao volamena, vata fitoeram-pitafiana, tady mirandrana sady mafy, hazo fisaka sedera fandefasanao entana.
25Ny sambon’i Tarsisa no niara-nandeha maro, nitatitra ny entanao.
Tonga mpanefoefo sy be voninahitra ianao;
teo amin’ny ranomasina.
26Kanjo teo amin’ny rano be,
izay nitondran’ireo mampiasa fivoy anao
no namakian’ny rivotra avy atsinanana, anao,
tao afovoan’ny ranomasina.
27Ny harenao, ny varotrao, ny entanao,
ny mpiantsambonao amam-panamory eo aminao,
ny mpamboatra sambo sy ny mpanelanelam-barotrao,
ny lehilahy mpiady rehetra
izay eo aminao, mbamin’ny vahoaka zavon-tany
izay eo afovoanao,
dia ho latsaka ao anatin’ny ranomasina
amin’ny andro hianjeranao.
28Amin’ny fidradradradran’ny mpitondra sambonao
ny morontsiraka hihorohoro.
29Hidina hiala amin’ny sambony avokoa
izay rehetra mampandeha fivoy,
ny tantsambo sy ny mpitari-dalan-tsambo rehetra amin’ny ranomasina,
ka hijanona eny an-tanety.
30Hanandra-peo noho ny manjò anao
sy handefa fidradradradràna mampalahelo;
hanosim-bovoka ny lohany,
ary hihosinkosina amin’ny lavenona.
31Noho ny aminao izy ireo hibory loha,
hitafy lasàka,
ary amin’ny alahelon’ny fanahiny dia handrotsa-dranomaso ny amin’ny momba anao,
dia ranomaso mangidy.
32Ao anatin’ny alahelony izy ireo, hanao hira falahelovana anao,
ka hitomany anao hanao hoe:
Iza moa no tahaka an’i Tira,
tahaka an’ilay tonga mangina, ao afovoan’ny ranomasina?
33Fony nivoaka avy amin’ny ranomasina ny entanao,
nahavoky firenena maro ianao;
amin’ny habetsahan’ny harenao amam-barotrao,
nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany ianao.
34Ankehitriny kosa rehefa ravan’ny ranomasina ianao,
sady nazera any amin’ny fara fanambanin’ny riaka,
ny entanao mbamin’ny vahoaka rehetra tao aminao,
niara-drendrika taminao koa.
35Ny mponina rehetra amin’ny nosy,
talanjona noho ny aminao;
ny mpanjakany raiki-tahotra;
ny tarehiny niova endrika.
36Ny mpandranto avy amin’ny firenen-kafa
misitrîsitra aminao.
Zary zava-mahatsiravina ianao;
ka tsy misy intsony ianao mandrakizay!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.