Salamo 15 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 15 (Volgata 14)Ny olona mampiantrano an’i IavehSalamon’i Davida.

1Iaveh ô, iza no honina ao an-dainao?

Zovy no hitoetra ao an-tendrombohitrao masina?

2Izay mandeha amin’ny tsy fananan-tsiny,

izay manaraka ny rariny,

ka milaza ny marina ao am-pony.

3Tsy manendrikendrika amin’ny lelany izy,

tsy manisy ratsy ny rahalahiny,

tsy manala baraka ny namany.

4Ny voaheloka no mendrika halàm-baraka eo imasony;

fa ny matahotra an’i Iaveh kosa omeny voninahitra.

Raha manao fianianana mamono antoka azy izy, tsy ivadihany izany.

5Tsy mampihana vola manao zana-bola be loatra

na mandray kolikoly hamely ny tsy manan-tsiny

Tsy hangozohozo mandrakizay izay mitondra tena araka izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help