Eksaody 4 - Malagasy Catholic Bible

Hasin’ny famantarana nomena an’i Môizy.

1Fa namaly i Môizy ka nanao hoe: «Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao i Iaveh.»

2Ka hoy i Iaveh taminy: «Inona iny an-tananao iny?» Dia hoy ny navaliny: «Tehina ity.»

3Ary hoy i Iaveh: «Atsipazo amin’ny tany iny.» Dia natsipiny tamin’ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy i Môizy.

4Fa hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Arosoy ny tananao, ka raiso amin’ny rambony.»

5Narosony ny tanany dia nandray azy izy ka nanjary tehina indray io teo an-tanany.

6«Izany no hinoany fa niseho taminao i Iaveh Andriamanitry ny razan’izy ireo, dia Andriamanitr’i Jakôba.»

Ary hoy koa i Iaveh taminy: «Atsofohy ao amin’ny tratranao ny tananao.» Dia natsofony tao amin’ny tratrany ny tanany dia notsoahany avy eo, ka indro rakotry ny habokana hoatra ny oram-panala.

7Ary hoy i Iaveh: «Atsofohy ao amin’ny tratranao indray ny tananao»; ary natsofony tao amin’ny tratrany indray ny tanany, dia notsoahany avy ao, dia indro, nanjary sahala amin’ny nofony.

8«Raha tsy mino anao izy fa tsy mihaino ny feon’ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ny famantarana faharoa.

9Ary raha tsy mino amin’ireo famantarana roa ireo aza izy, ka tsy mihaino ny feonao, dia haka rano eo amin’ny ony ianao, hanosaka azy amin’ny tany, fa io rano nalainao teo amin’ny ony io hanjary ra eo amin’ny tany.»

I Aarôna mpandika tenin’i Môizy.

10Dia hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin’ny omaly sy afak’omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin’izao itenenanao amin’ny mpanomponao izao aza, miambatrambatra ny vavako sy ny lelako.»

11Fa hoy i Iaveh taminy: «Iza moa no nanao ny vavan’ny olombelona, ary zovy no mahatonga azy ho moana na marenina, mahiratra na jamba? Tsy Izaho Iaveh va?

12Koa andeha, fa homba ny vavanao Aho ary hanoro izay holazainao.»

13Hoy anefa i Môizy: «Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao.»

14Dia nirehitra tamin’i Môizy ny fahatezeran’i Iaveh, ka hoy izy: «Tsy eo va i Aarôna rahalahinao, ilay levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rehefa mahita anao.

15Hiteny aminy ianao sy hanolotra ny teny hambarany; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany, ary haneho aminareo izay tsy maintsy hataonareo.

16Izy no hiteny amin’ny vahoaka hisolo anao; ho solom-bavanao izy, ary ianao kosa ho solon’Andriamanitra aminy.

17Ary iny tehina iny, dia ento eny an-tananao, fa iny no hanaovanao ny famantarana.»

Niverina any Ejipta i Môizy dia lasa nankany Madiàna.

18Dia lasa i Môizy. Nony tafaverina tany amin’i Jetrô rafozany izy, dia hoy izy taminy: «Masìna ianao, avelao kely aho hiverina any amin’ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy.» Ary hoy i Jetrô tamin’i Môizy: «Mandehana amim-piadanana.»

19Hoy i Iaveh tamin’i Môizy, tany amin’ny tany Madiàna; «Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao.»

20Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.

21Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.

22Ianao hilaza amin’i Faraôna hoe: Izao no lazain’i Iaveh: I Israely dia zanako, zanako lahy matoa.

23Ka izao no lazaiko aminao: Avelao handeha ny zanako, hanompo Ahy; fa raha mandà ianao ka tsy mamela azy handeha, hovonoiko ny zanakao, dia ny zanakao lahy matoa.»

Noforàna ny zanak’i Môizy.

24Teny an-dalana, teo amin’ny toerana anankiray nandrian’i Môizy, tamy nitsena azy i Iaveh, nitady hahafaty azy.

25Fa nalain’i Sefôrà ny fiharatra vato ka noforàny ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr’i Môizy ny nesoriny teo, nataony hoe: «Vady tamin-dra ianao.»

26Dia tsy naninona azy i Iaveh. Tamin’izay no nilazan-dravehivavy hoe: «Vady tamin-dra noho ny famorana.»

Fihaonana amin’i Aarôna.

27Ary i Iaveh nilaza tamin’i Aarôna hoe: «Mandehana mitsena an’i Môizy any an’efitra.» Dia niainga i Aarôna, ka nifanena tamin’i Môizy teo an-tendrombohitr’Andriamanitra ary nanoroka azy.

28Nampahalalain’i Môizy an’i Aarôna avokoa ny teny nampitondrain’i Iaveh azy, sy ny famantarana rehetra nodidiany hataony.

29Dia notohizan’i Môizy sy i Aarôna ny diany, ka namory ny loholona rehetra amin’ny zanak’i Israely izy.

30Ary nambaran’i Aarôna avokoa ny teny nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy, sady nataony teo imason’ny vahoaka ny famantarana;

31ka nino ny vahoaka; fantany fa efa namangy ny zanak’i Israely i Iaveh sy efa nitsinjo ny fahoriany, ka dia niondrika nitsaoka izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help