Estera Grika 4 - Malagasy Catholic Bible

Tetik’i Mardokea sy i Estera hisorohana ny loza

1Nony nandre izany zavatra nitranga izany i Mardokea dia nandriatra ny fitafiany, nitafy lamba malailay, nihosin-davenona, nankany afovoan’ny tanàna, nanezaka nidradradradra mafy tamin’alahelo.

2Ary tonga hatrany anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka, fa tsy azon’olona mitafy lamba malailay atao ny miditra ny varavaran’ny mpanjaka.

3Tany any amin’ny faritany rehetra nahatongavan’ny teny aman-didin’ny mpanjaka koa, dia velom-pisaonana mafy ny Jody: nifady hanina izy ireo, nitomany, nidradradradra, ary maro aza no nandry tamin’ny lamba malailay aman-davenona.

4Tonga nilaza izany zava-baovao izany tamin’i Estera ireo ankizy vaviny sy eonòkany, ka nivadi-po mafy ny mpanjakavavy. Nampanatitra lamba hitafian’i Mardokea izy, mba hanesorany ny lamba malailay teny aminy, kanefa tsy noraisiny izany.

5Ka dia nantsoin’i Estera i Ataka, anankiray amin’ny eonòka napetraky ny mpanjaka eo aminy, nasainy nandeha hanontany an’i Mardokea izay anton’izany, sy izay nahatonga izany fisaonana izany.

6Dia lasa i Ataka, nankeo amin’i Mardokea izay teo an-kianjan’ny tanàna anoloan’ny vavahadin’ny mpanjaka,

7ary nambaran’i Mardokea taminy avokoa ny zava-nihatra taminy rehetra, sy ny tontalin’ny vola nampanantenain’i Amàna holanjaina hatao ao amin’ny rakitry ny mpanjaka, ho valin’ny famonoana ny Jody.

8Nomeny azy koa ny kôpian’ny didy nantsoina tao Sosa handringanana azy ireo, hasehony amin’i Estera sy hampahafantarany azy ny zavatra rehetra, ary nandidiany azy hankao amin’ny mpanjaka, hifona aminy sy hangataka famindram-po ho an’ny fireneny.

Jereo ny famporisihan’i Mardokea an’i Estera ao amin’ny toko 15,1-3.

9Tonga i Ataka nanambara tamin’i Estera ny tenin’i Mardokea.

10Fa nasain’i Estera nankany amin’i Mardokea indray i Ataka, hilaza hoe:

11«Mahalala avokoa ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra sy ny vahoaka amin’ny faritaniny, fa raha misy olona mankao amin’ny mpanjaka, ao amin’ny kianja anatiny, na lahy na vavy, nefa tsy nantsoina, dia lalàna tokana manameloka ho faty no hany ahatra aminy, afa-tsy raha toloran’ny mpanjaka ny tehim-bolamenany izy ka mahavelona azy amin’izany. Izaho anefa, telopolo andro izay no tsy nantsoina ho ao amin’ny mpanjaka.»

12Nony efa nambara tamin’i Mardokea ny tenin’i Estera,

13dia izao no nasainy navaly azy: «Aza mihevitra anakampo fa ho afaka irery amin’ny Jody rehetra ianao, satria ao an-tranon’ny mpanjaka.

14Ary raha mangina ianao izao, dia hisy vonjy amam-panafahana ho an’ny Jody avy any an-kafa, fa ianao sy ny fianakavian-drainao kosa haringana! Ary iza moa no mahalala fa tsy ho amin’ny andro toy izany no nanandratana anao ho mpanjakavavy?»

15Ka izao no nasain’i Estera navaly an’i Markôdea:

16«Mandehana vorio àry ny Jody rehetra eto Sosa, ka manaova fifadian-kanina ho ahy ianareo; aza mihinana na misotro mandritra ny hateloana, na andro na alina. Izaho koa hifady hanina miaraka amin’ireo ankizivaviko; raha efa izany dia hiditra ao amin’ny mpanjaka aho, na dia eo aza ny lalàna, ka raha tsy maintsy ho faty aho dia ho faty.»

17Dia lasa i Mardokea nanao izay rehetra nandidian’i Estera azy.

Jereo ao amin’ny toko 13,8–14,19, ny fivavahan’i Mardokea sy Estera

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help