Salamo 93 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 93 (Volgata 92)Andriamanitra ambony fahefana

1Mpanjaka i Iaveh, mitafy fiandrianana Izy,

mitafy i Iaveh, misikina hery Izy:

ka miorina mafy izao tontolo izao fa tsy mangozohozo.

2Voatsangana hatry ny fiandohana fahagola, ny fiandriananao,

misy hatramin’ny mandrakizay Ianao.

3Ny ony, ry Iaveh, manandratra,

ny ony manandratra ny feony,

ny ony manandratra ny onjany mimamamama.

4Mihoatra noho ny feon’ny ranobe,

sy ny onjan-dranomasina mahery,

dia be voninahitra i Iaveh any amin’ny avo!

5Tsy miova ny teny vavolombelonao,

ny fahamasinana no mendrika ny tranonao;

mandritra ny faharetan’ny andro rehetra, ry Iaveh ô!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help