1Kôrintianina 6 - Malagasy Catholic Bible

III FITORIANA ANY AMIN’NY FITSARAN’NY TSY MPINO

1Adre! hay aminareo dia misy manana ady amin’ny namany, ka sahy mangataka fitsarana amin’ny olona tsy marina, fa tsy amin’ny olona masina!

2Tsy fantatrareo va fa ny olomasina dia hitsara izao tontolo izao? Ka raha izao tontolo izao aza hotsarainareo, dia izay zava-madinika indray ve no tsy mendrika hotsarainareo?

3Tsy fantatrareo va fa hitsara ny Anjely aza isika? Ka mainka fa izay zavatra momba izao fiainana izao!

4Koa raha ady momba ny zavatr’izao fiainana izao no ilanareo fitsarana, na izay farany ambany amin’ny Eglizy aza ve tsy ho azonareo tendrena ho mpitsara amin’izany?

5Hampahamenatra anareo no ilazako izany. Hay, dia tsy misy olon-kendry aminareo, na dia iray aza, mba afa-mamboatra ny adin’ny rahalahiny?

6Fa havana iray finoana, ka dia hanana ady amin’ny havana iray finoana, sady eo anatrehan’ny mpitsara tsy mpino indray!

7Efa hadisoana ho anareo sahady ny anananareo ady amin’ny namanareo, satria tsy aleo ve miaritra ny tsy an-drariny? Tsy aleo ve mandefitra sy ambakaina aza?

8Kanjo inona, ianareo indray no manao ny tsy rariny, ianareo indray no manambaka, nefa tsy iza ireny, fa havanareo iray finoana ihany!

9Moa tsy fantatrareo va fa tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra ny olona tsy marina? Aza diso hevitra ianareo, fa na mpijangajanga, na mpanompo sampy, na mpaka vadin’olona,

10na mpanao asam-pijangajangana amin’ny tenany samy irery, na mpiray samy lehilahy, na mpangalatra, na kahihitra, na mpimamo, na mpifosa, na mpanao an-keriny, dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra.

11Ary efa mba toy izany ihany koa ianareo, na ny sasany aminareo saingy efa nosasana, efa nohamasinina, efa nohamarinina tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo, sy tamin’ny Fanahin’Andriamanitsika ianareo.

IV. FIJANGAJANGANA

12Tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy àry mahasoa avokoa izy rehetra; tsy misy fady ho ahy ny zavatra rehetra, nefa tsy misy avelako hanandevo ahy na inona na inona.

13Ny hanina, ho an’ny kibo; ny kibo ho an’ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin’Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an’ny fijangajangana, fa an’ny Tompo; ary ny Tompo, ho an’ny vatana.

14Efa nanangana ny Tompo ho velona Andriamanitra, ka hanangana antsika amin’ny heriny koa.

15Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan’i Kristy ny vatanareo? Ka rantsam-batan’i Kristy ve dia halaiko hatao rantsam-batan’ny vehivavy janga e? Sanatria izany!

16Tsy fantatrareo va fa izay miray amin’ny vehivavy janga, dia tena iray aminy? araka ny Soratra hoe: Ho nofo iray izy roroa.

17Ary izay miray amin’ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy.

18Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon’ny olona any ivelan’ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin’ny tenany indrindra.

19Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin’Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo?

20Fa olom-boavidy lafo ianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin’ny vatanareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help