1Henoy, anaka, ny anatry ny ray,
ary mitandrema mba hahazo fahalalana,
2fa fampianarana soa no omeko anareo;
aza mahafoy ny fampianarako.
3izaho koa dia zanaka ho an’ikaky fahizay,
zanaka tokana sy feno fitiavana teo anilan’ineny.
4Dia notoroany sy nataony hoe:
«Aoka ny fonao hitana ny teniko;
tandremo ny didiko dia ho velona ianao.
5Mahazoa ny fahendrena, mahazoa ny fahalalana;
aza hadinoinao ny tenin’ny vavako, ary aza mivily miala amin’izany.
6Aza mahafoy azy fa harovany ianao;
tiavo izy fa hitahiry anao.
7Izao no fiandohan’ny fahendrena: mahazoa ny fahendrena;
izay rehetra anananao amidio hahazoana ny fahalalana.
8Tombano ho ambony vidy izy, fa hanandratra anao;
fihino tsara, fa ho tonga voninahitrao izy.
9Hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao;
horavahany satroboninahitra tsara indrindra ianao.»
10Henoy, anaka, ary raiso ny teniko,
dia hihamaro ny taona hiainanao.
11Manoro anao ny lalam-pahendrena aho,
mitarika anao amin’ny sakeli-dalan’ny fahitsiana.
12Raha mandeha ianao tsy ho ety lalana,
raha mihazakazaka tsy ho tafintohina.
13Tano ny fahalalana ka aza avela;
raketo izy fa fiainanao.
14Aza miditra ny sakeli-dalan’ny ratsy fanahy,
ary aza mizotra amin’ny lalan’ny olon-dratsy.
15Halaviro izany fa aza lalovana akory;
mivilia ianao, dia mizora.
16Fa tsy matory tsy nahefa ratsy ireny;
ary tsy mahita tory tsy nahalavo olona;
17Mofom-paharatsiana no fihinany,
divaim-pahalozàna no fisotrony,
18Toy ny fihiratry ny andro maraina ny lalan’ny marina,
ka mitombo hazavana hatramin’ny fiposahan’ny andro.
19Fa toy ny haizina kosa ny lalan’ny ratsy fanahy,
ka tsy tazany akory izay hanafintohina azy.
20Anaka, tandremo ny teniko,
mampandria sofina amin’ny lahateniko.
21Aza avela hanalavitra ny masonao izy,
fa tahirizo ao anatin’ny fonao.
22Satria aina ho an’izay mahazo azy izany,
ary fahasalamana ho an’ny vatany manontolo.
23Tandremo mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fonao;
fa avy ao aminy no iavian’ny loharanon’aina.
24Ampanalaviro ny vavanao ny teny misafelika;
ary ampanalaviro ny molotrao ny zavatra tsy marina.
25Aoka ny masonao hahitsy fijery,
ary ny hodi-masonao hanitsy eo anoloanao.
26Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao,
ary aoka ho mahitsy ny lalanao rehetra.
27Aza mivily miankavanana na miankavia;
ary esory amin’ny ratsy ny tongotrao.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.