1Dia hoy Izy tamiko nanao hoe:
«Mitsangàna, ry zanak’olona, fa hiteny aminao Aho».
2Ary raha niteny tamiko izy, dia niditra tato anatiko ny Fanahy, sady nampitsangana ahy, ka nandre an’Ilay niteny tamiko aho.
3Hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, indro ianao irahiko, ho any amin’ny zanak’i Israely, ho any amin’ireo vahoaka mpiodina izay niodina tamiko; fa efa nanota tamiko, mandrak’androany aza, ireo sy ny razany.
4Ireo zanaka manao tarehy tsy mahalala menatra sy mafy fo ireo no anirahiko anao. Izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh, Tompo.
5Ka na hihaino izy ireo, na tsy hihaino, - fa taranaka mpiodina izy - dia hahalala fa efa nisy mpaminany teo aminy.
6Ary ianao, aza matahotra azy, ry zanak’olona, na matahotra izay teniny; fa miaraka amin’ny hery aman-tsilo ianao, sy miara-mitoetra amin’ny maingoka. Aza matahotra izay teniny na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka mpiodina izy.
7Lazao aminy ihany ny teniko, na hihaino izy na tsy hihaino; fa mpiodina izy ireo.
8Ary ianao, ry zanak’olona, henoy izao lazaiko aminao izao: Aza miodina tahaka izany taranaka miodina izany. Sokafy ny vavanao, ka hano izay omeko anao.
9Dia nojereko, ka indro nisy tanana natsotra nankatỳ amiko, ary indro fa nitana horonan-taratasy.
10Novelariny teo anoloako io, ka voasoratra ny tao anatiny sy ny teo ivelany; ary hira fisaonana amam-pitomaniana sy fitarainana no voasoratra teo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.