Levitika 11 - Malagasy Catholic Bible

3 FITSIPIKA MOMBA NY MADIO SY NY MALOTOBiby madio sy biby malotoA. Biby etỳ an-tany(Jereo Lev 20,25-26; Deter 14,3-21; Jen 7,2; Mt 15,10-20; Asa 10,9-16–11,1-18)

1Ary niteny tamin’i Môizy sy i Aarôna i Iaveh nanao tamin’izy ireo hoe:

2«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin’ny biby rehetra eto ambonin’ny tany:

3Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo;

4fa ny mandinika fotsiny na ny mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo. Ohatra ny rameva, izay mandinika nefa tsy mivaky kitro, dia ho maloto eo aminareo.

5Ohatra ny zerboaza, izay mandinika fa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo.

6Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo.

7Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo.

8Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny.»

B. Biby anaty rano

9«Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin’ny biby rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo.

10Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin’ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin’ny zava-manana aina rehetra misy ao.

11Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy zava-betaveta ny fatiny.

12Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo.»

D. Ny vorona

13«Amin’ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta:

14ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany,

15ny goaika isan-karazany,

16ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany,

17ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe,

18ny gisabe, ny pelikano, ny zipaety,

19ny vanobe, ny vano isan-karazany; ny lavasanga, ny ramanavy.»

E. Biby madinika manana elatra

20«Ny biby madinika rehetra manana elatra, mandia tongotra efatra, ho zava-betaveta aminareo.

21Amin’ny biby madinika manana elatra mandia tongotra efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladia, hitsipihany eo amin’ny tany.

22Ireto no ho fihinanareo amin’ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargôla isan-karazany.

23Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.»

Fikasihana biby maloto

24«Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy no hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan’ny andro;

25ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

26Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy.

27Amin’ny biby mandia tongotra efatra, izay mandeha amin’ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-pahariva ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny;

28ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo.»

F. Biby madinika mandady

29«Amin’ny biby madinika mandady amin’ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany;

30ny mosaraina, ny tanalahy, ny salamandry, ny tsàtsaka, ary ny taopy.»

Fitsipika hafa momba ny fikasihana biby maloto

31Ireo no ho maloto aminareo amin’ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan’ny andro izay rehetra mikasika ny fatin’ireo.

32Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan’ny fatin’ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasàka, na inona na inona zavatra ampiasaina; ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.

33Ary raha misy zavatra amin’ireny sendra tafalatsaka ao anatin’ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anaty vilany, ka homontsaninareo ny vilany.

34Haloto ny zava-pihinana rehetra nandrahoina tamin’ny rano, haloto ny zava-pisotro izay isotroana na inona na inona tavy misy azy.

35Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, ka ravana ny lafaoro mbamin’ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto.

36Ny loharano anefa mbamin’ny lavaka fantsakana izay fiangonan-drano, dia hitoetra ho madio ihany, fa izay mikasika ny fatin-javatra no haloto.

37Raha voa hafafy no hilatsahan-javatra avy amin’ny fatin’ireny, dia hitoetra ho madio ihany;

38raha nasian-drano anefa ny voa nafafy, no nianjeran-javatra avy amin’ny fatin’ireny, dia hataonareo zava-maloto.

39Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan’ny andro,

40ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan’ny andro.

Fampianarana fahamasinana

41Ny biby rehetra mandady amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina.

42Aza misy haninareo rehefa mety ho biby mandady amin’ny tany, na ireo mikisaka amin’ny kibony, na ireo mandia tongotra efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo.

43Aza mametaveta ny tenanareo amin’ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin’ireny fa hahazo loto avy amin’ireny ianareo.

44Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo ianareo dia ho masina satria masina Aho; aza mandoto ny tenanareo amin’izay biby rehetra mandady amin’ny tany.

45Fa Izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy amin’ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina ianareo satria masina Aho.

Famaranana

46Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotra efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin’ny tany,

47mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help