Salamo 52 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 52 (Volgata 51)Fitsàran’ny matokitoky foana

1 Ho an’ny mpampianatra hira. Hira nataon’i Davida,

2fony i Dôega

, Edômita, tonga nilaza tamin’i Saola hoe: Nankany an-tranon’i Akimeleka i Davida.

3Ahoana no mirehareha amin’ny haratsianao, ry ilay mahery!

- Maharitra mandrakizay ny hatsaram-pon’Andriamanitra!

4Tsy misaina afa-tsy ny ratsy ny lelanao,

mova tsy ny antsy maranitra, ry mpihatsaravelatsihy!

5Aleonao ny ratsy toy izay ny soa;

ny lainga, toy izay ny marina.

- Selà

6Ny teny mamohehatra rehetra no tianao,

ry lela mpandainga!

7ka indro Andriamanitra hanongana anao mandrakizay kosa;

hosamboriny sy hotsoahany avy eo an-dainao ianao,

dia hofongorany eo amin’ny tanin’ny velona.

- Selà

8Hahita izany ny marina, dia hatahotra,

ka hihomehy azy hoe:

9io no olona tsy nanao an’Andriamanitra ho mandany,

fa nitoky tamin’ny habetsahan’ny hareny,

sy nihambo tamin’ny haratsiany!

10Fa izaho kosa dia toy ny ôliva maitso

ao an-tranon’Andriamanitra,

ny hatsaram-pon’Andriamanitra no itokiako mandrakizay doria.

11Hidera Anao lalandava aho, fa nanao izany Ianao;

ary hanantena ny Anaranao aho, fa tsara Izy,

eo anatrehan’ny miraiki-po aminao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help