1Ary noho izany, izaho Paoly mpifatotr’i Kristy Jesoa noho ny aminareo Jentily
2raha mba renareo ihany ny fanambaràna ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3izany hoe, ny fanambaràna nampahafantatra ahy ny zava-miafina vao nalazako tamin’ny teny fohifohy teo.
4Ny famakiana izany no hahaizanareo mamantatra ny fahalalako ilay zava-miafina tao amin’i Kristy,
5izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha, toy ny nanambaràna azy ankehitriny tamin’ny Apôstôly masina sy ny mpaminany ao amin’ny Fanahy,
6dia izao: Ny Jentily dia tonga iray lova sy iray tena ary mpiombona ny fampanantenana amin’ny Jody ao amin’i Kristy Jesoa noho ny ninoany ny Evanjely;
7ary izaho no voatendry ho mpandraharaha amin’izany, araka ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra nomena ahy tamin’ny herin’ny fahefany.
8Eny, izaho izay kely indrindra amin’ny olona masina rehetra, no nomena izany fahasoavana izany, dia ny hitory amin’ny Jentily ny haren’i Kristy tsy hita pesipesenina,
9sy ny hanazava amin’ny olona rehetra ny filaharan’ilay hevitra lalina niafina hatrizay hatrizay tao amin’Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra.
10Dia izany no naseho ankehitriny izao tamin’ny alalan’ny Eglizy, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra ny fahaizan’Andriamanitra mamoron-kevitra,
11araka ny lahatra nataony hatrizay hatrizay tao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika,
12izay ananantsika fahasahiana hanatona an’Andriamanitra amam-pahatokiana noho ny finoana Azy.
13Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin’ny fahoriako ho anareo, fa voninahitra ho anareo izany.
Vavak’i Paoly14Eny, noho izany no andohalihako amin’ny Ray,
15Izay angalàn’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hankaherezina fatratra araka ny olona anaty amin’ny Fanahy,
17sy ny hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana, dia ho latsa-paka sy hiorina amin’ny fitiavana ianareo,
18ka hiara-mahafantatra tsara amin’ny olomasina rehetra izay sakany sy lavany, ary haavony sy halaliny,
19sady hahalala ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra ny fahalalana rehetra, ka dia ho fenon’ny hafenoan’Andriamanitra rehetra ianareo.
20Ary ho an’Ilay mahay manao mihoatra lavitra noho izay angatahintsika sy saintsainintsika, araka ny heriny miasa ato amintsika,
21eny, ho Azy anie ny voninahitra ao amin’ny Eglizy, sy ao amin’i Kristy Jesoa hatramin’ny taranaka farany indrindra, sy mandrakizay mandrakizay. Amen.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.