1Tiako ny mitana ny anjara toerako,
sy mipetraka eo amin’ny tilikambo fiambenana,
dia hitandrina aho hahitako izay holazain’i Iaveh amiko,
sy izay havaliko ny fananarana hatao amiko.
2Dia namaly ahy i Iaveh, ka nanao hoe:
Soraty ny fahitana ka sokiro amin’ny fàfana,
mba hamakian’ny olona azy moramora.
3Fa mbola misy fahitana amin’ny fotoam-boafetra;
efa mandroso ho amin’ny fotoana fanaperana azy izy,
ka tsy hamitaka;
raha miadam-piavy izy, andraso ihany,
satria ho avy tokoa, fa tsy ho diso.
4Izay mibohibohy ny fanahy ao anatiny, dia
tsy mba amin’ny lala-mahitsy,
fa ny marina no ho velona amin’ny finoany.
2. FANOZONANA NY MPAMORITRATeny mialoha5Ary fanampin’izany koa, mamitaka ny divay.
Tsy haharitra ny olona miavonavona,
izay mampitombo ny fahalianany ho lehibe toy ny seoly
sy tsy mety voky, hoatra ny fahafatesana;
mamory ny firenena rehetra ho ao aminy,
ary manangona ny vahoaka rehetra ho azy.
6Moa va izy ireo, dia izy rehetra,
tsy hanonona oha-teny momba azy
amam-panoharana sy ankamantatra mihatra aminy?
Hanao hoe:
Sahato dimy1Mila loza izay mandroaka ny tsy azy,
- mandra-pahoviana? -
sy ho an’izay mandray ho entana tataoviny ny zavatra natao tsatòka.
7Tsy hitsangana tampoka va ireo tompon-trosa,
tsy hifoha va ireo mpanompo anao
ka ianao kosa indray, moa tsy ho rembiny?
8Noho ianao namabo firenena maro,
dia mba hobaboin’ny firenena sisa rehetra kosa,
noho ny ran’olona nalatsaka,
sy ny fandozàna natao tamin’ny tany,
na tamin’ny tanàna, na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
29Loza ho an’izay manangon-karena tsy an-drariny ho an’ny taranany,
hanaovany amin’ny avo dia avo ny akaniny,
mba handosirany tsy ho tratry ny loza!
10Manao hevitra hanala baraka ny taranakao ianao;
tamin’ny nandringananao firenena maro
dia nanota tamin’ny tenanao ianao.
11Fa ny vato amin’ny rindrina hataraina,
ary ny sakamandimby amin’ny rafi-trano no hamaly azy.
312Mila loza izay manao tanàna amin’ny fandatsahan-dra;
sy manorina renivohitra amin’ny tsy marina!
13Tsy izao va no sitrapon’i Iavehn’ny tafika
dia ny hiasan’ny olona ho an’ny afo,
sy ny hisasaran’ny firenena ho an’ny zava-poana?
14Fa ny tany ho feno ny fahalalana ny voninahitr’i Iaveh,
toy ny fandrakotry ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.
415Loza ho an’izay mampisotro ny namany,
dia ianao izay mampidina ny hatezeranao, mandra-pahamamony,
mba hijery ny fitanjahany!
16Henatra no nivokisanao fa tsy voninahitra;
misotroa koa ianao, ka asehoy ny tsy mahavoafora anao;
havadika hirotsaka aminao ny kapoaka ao an-tanana ankavanan’i Iaveh;
ho sarona fahafaham-baraka ny voninahitrao.
17Fa hitsingerina aminao ny fahasiahana namelezana an’i Libàna
mbamin’ny fandringanana ny biby raiki-tahotra mahatsiravina,
noho ny ran’olona nalatsaka,
sy ny loza natao tamin’ny tany,
na tamin’ny tanàna na tamin’ny mponina rehetra ao aminy.
18Inona no asan’izay sarin-javatra voapaika,
no mipaika azy ny mpamorona azy,
na ny sampy anidina sy ny mpanambara lainga,
no matoky izay asan-tanany ny mpamorona azy,
amin’ny fanamboarana andriamanitra moana?
519Loza ho an’izay manao amin’ny hazo hoe: Mitsangàna!
sy amin’ny vato moana hoe: Mifohaza!
Hampianatra va izy?
Indro fa voapetaka volamena sy volafotsy izy,
nefa tsy mba misy fofon’aina akory ao anatiny.
20I Iaveh kosa, ao amin’ny Tempoliny masina;
aoka hangìna eo anatrehany ianao, ry tany rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.