Jeremia 13 - Malagasy Catholic Bible

Ilay fehikibo tao Eofrata

1Izao no lazain’i Iaveh tamiko: «Mandehana mividy fehikibo rongony madinika ho anao; ka ataovy amin’ny tehezanao fa aza atao anaty rano.»

2Dia nividy ny fehikibo araka ny tenin’i Iaveh aho, ka nataoko tamin’ny tehezako.

3Tonga tamiko fanindroany indray ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

4«Ento ilay fehikibo novidinao, izay efa eo amin’ny tehezanao; ka mitsangàna, mandehana mankany Eofrata, afeno any, ao an-tsefatsefaky ny vatolampy izy.»

5Dia nandeha aho, ka nafeniko tao amoron’i Eofrata izy, araka ny nandidian’i Iaveh ahy.

6Nony afaka andro maro be, dia hoy i Iaveh tamiko: «Mitsangàna ianao, mandehana mankany Eofrata, alao ilay fehikibo nasaiko nafeninao any.»

7Dia nandeha nankany Eofrata aho, ka nihady, dia naka ilay fehikibo teo amin’ny fitoerana nanafenako azy; kanjo indro, simba tsy azo atao na inona na inona intsony, ilay fehikibo.

8Ary tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

9Izao no lazain’i Iaveh:

«Toy izany no hahafoanako ny avonavon’i Jodà,

sy ny avonavon-dehiben’i Jerosalema.

10Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko,

fa mandeha amin’ny ditran’ny fony,

sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy,

dia ho tahaka ity fehikibo

tsy azo atao na inona na inona intsony ity.

11Satria toy ny firaikitry ny fehikibo amin’ny tehezan’ny olona,

no nandraiketako ny taranak’i Israely rehetra

sy ny taranak’i Jodà rehetra tamiko, - teny marin’i Iaveh, -

mba ho vahoaka ho Ahy izy ireo

mba ho anarana, ho haja, ho voninahitra,

nefa tsy nihaino Ahy izy.»

Siny feno divay nifandona

12Lazao azy ireo izao teny izao:

Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely:

«Rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay.»

Fa izy ireo hamaly hanao hoe: «Moa tsy fantatray va,

fa rehefa mety ho siny tsy maintsy hofenoina divay?»

13Ary ianao kosa hanao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh:

«Indro hofenoiko hamamoana, ny mponina rehetra amin’ity tany ity,

mbamin’ny mpanjaka mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida,

ny mpisorona ama-mpaminany,

ary ny mponina rehetra ao Jerosalema.

14Ary hampifandòniko ho vaky izy ireo,

dia ny ray mbamin’ny zanany rehetra, - teny marin’i Iaveh; -

tsy hotsitsiko, tsy hananako antra,

tsy hamindrako fo tsy haharingana azy izy.»

Sesitany atahorana ho avy

15Mihainoa, ary atongilano ny sofinareo, aza miavonavona,

fa miteny i Iaveh.

16Manomeza voninahitra an’i Iaveh Andriamanitrareo,

dieny tsy mbola tonga ny haizina,

dieny tsy mbola mipoka

amin’ny tendrombohitry ny alina ny tongotrareo,

dieny tsy mbola novany ho aloky ny fahafatesana

ny mazava andrasanareo,

ary tsy mbola nampanjariny ho haizim-pito.

17Raha tsy mihaino izany ianareo,

dia hitomany mangingina ny fanahiko

noho ny fiavonavonanareo;

hamarin-dranomaso mangidy ny masoko,

hanao ranomaso havozona aho,

satria ho lasan-ko babo ny ondrin’i Jakôba.

Fanambanana an’i Jôakima

18Lazao amin’ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy hoe:

Mipetraha ianareo amin’ny tany,

fa nianjera avy eny an-dohanareo

ny satroboninahitrareo.

19Ny tanàna amin’ny tany atsimo, voahidy

ary tsy misy mpamoha azy;

i Jodà manontolo lasan-ko babo;

ka tanteraka indrindra ny famaboana.

Fananarana an’i Jôakima

20Atopazo ny masonao, ka jereo irerỳ avy avaratra:

Nankaiza ny andian’ondry nomena anao,

dia ireo ondry voninahitrareo?

21Hanao ahoana kosa ianareo, rehefa tendren’i Iaveh ho tomponao

ireo nampianarinao hamely anao - ireo mpifankazatra aminao!

Moa tsy hahazo anao va ny fanaintainana,

toy ny an’ny vehivavy raha miteraka?

22Raha tahiny ianao manao anakampo hoe:

Nahoana aho no dia nidiran-doza toy izao?...

Dia ny haben’ny helokao,

no antony nanaingana ny morontongotr’akanjonao,

sy nandratràna ny ombalahin-tongotrao.

23Hahova ny hodiny va ny Etiôpianina,

hahova ny sorany va ny leoparda?

Ary ianareo va hety hanao ny tsara?

24Haeliko hoatra ny mololo

indaosin’ny rivotra mifofofofo avy any an’efitra izy ireo.

25Izany no anjaranao,

anjara voalanjako, ho anao, - teny marin’i Iaveh, -

satria ianao nanadino Ahy,

sy nitoky tamin’ny lainga.

26Ary Izaho kosa dia hanainga ho eny amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao,

hahitan’ny olona ny mahafa-baraka anao.

27Ny fijangajanganao, ny fanenonao,

ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta,

eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny,

ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa.

Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao,

ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help