1Kôrintianina 11 - Malagasy Catholic Bible

1Makà tahaka ahy, toy ny akako tahaka an’i Kristy.

III. FILAMINANA EO AMIN’NY FIVORIAMBENy fitafian’ny vehivavy

2Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.

3Tiako ho fantatrareo fa i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra; ny lehilahy lohan’ny vehivavy; ary Andriamanitra no lohan’i Kristy.

4Ny lehilahy rehetra mivavaka na maminany, dia manala baraka ny lohany raha misaron-doha;

5fa ny vehivavy rehetra mivavaka na maminany kosa, dia manala baraka ny lohany raha tsy misaron-doha, satria hoatra ny voaharatra izy amin’izany.

6Raha tsy hisaron-doha ny vehivavy, dia aoka hihety izy; ary raha mahamenatra azy ny mihety na mihara-bolo, dia aoka hisaron-doha izy.

7Ny lehilahy no tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy,

8satria tsy ny vehivavy no niavian’ny lehilahy, fa ny lehilahy no niavian’ny vehivavy;

9ary tsy ny lehilahy no natao ho an’ny vehivavy fa ny vehivavy no natao ho an’ny lehilahy.

10Izany no mahamety ny hananan’ny vehivavy sarim-pahefan’ny lehilahy eo amin’ny lohany, noho ny amin’ny Anjely.

11Noho ny lahatry ny Tompo anefa, dia tsy misy vehivavy raha tsy eo ny lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy eo ny vehivavy;

12satria ny vehivavy moa nalaina avy amin’ny lehilahy; ny lehilahy, ateraky ny vehivavy; fa ny zavatra rehetra kosa avy amin’Andriamanitra.

13Ianareo ihany no aoka hitsara: manendrika ny vehivavy va ny mivavaka amin’Andriamanitra tsy misaron-doha?

14Na izao fombantsika olombelona izao aza, moa tsy maneho amintsika va fa raha lehilahy no lava volo dia henatra ho azy izany?

15fa raha vehivavy kosa no lava volo dia voninahitra ho azy izany, satria ny volo no natao ho saron-dohany.

16Ary raha ady hevitra no tadiavin’ny sasany, dia tsy mba fombantsika izany, na fomban’ny Eglizin’Andriamanitra.

Ny «Fanasan’ny Tompo»

17Tsy izany ihany no andidiako anareo, fa mba misy tsy iderana anareo, dia ny iangonanareo tsy hihatsara fa hiharatsy.

18Fa voalohany, reko fa raha miangona hanao fivoriana ianareo, dia misy fisarahana eo aminareo; ary mba misy inoako ihany izany;

19satria tsy maintsy misy an-daniny maro eo aminareo, mba hihariharian’izay olona voazaha toetra eo aminareo.

20Ka raha miangona ianareo, dia tsy mba ny Fanasan’ny Tompo intsony no haninareo,

21fa eo am-pihinanana dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo, ka ny sasany noana, ny sasany kosa mamo!

22Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!

(Jereo Mt 26,26-29; Mk 14,22-25; Lk 22,14-20)

23Fa izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa dia nandray mofo,

24ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: «Raiso ary hano, Vatako ity ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy.»

25Toy izany koa, nony efa nihinana, dia noraisiny ny kalisy ary hoy Izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo»

26Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.

27Koa na zovy na zovy mihinana ny mofo, na misotro amin’ny kalisin’ny Tompo tsy amim-pahamendrehana, dia meloka amin’ny Vatana sy ny Ran’ny Tompo.

28Aoka àry handini-tena ny olona, izay vao hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kalisy;

29fa izay mihinana sy misotro tsy amim-pamantarana ny Vatan’ny Tompo, dia mihinana sy misotro fanamelohana ny tenany.

30Izany no mahabe marary sy farofy eo aminareo, ary maro aza no maty.

31Raha mitsara tena isika, dia tsy hotsaraina;

32Ary isika no tsaraina sy faizin’ny Tompo, dia ny mba tsy hanamelohana antsika miaraka amin’izao tontolo izao.

33Aoka àry hifampiandry ianareo, ry kristianina havana, raha miangona ho amin’ny fanasana.

34Ary raha misy noana, aoka hihinana any an-tranony izy, mba tsy ho fanamelohana anareo no hiangonanareo.

Ny zavatra sisa dia halahatro rehefa tonga aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help