1Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe:
2«Mitenena amin’ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany omeko anareo ianareo, hisy fitsaharana ho an’ny tany; ho sabata fankalazana an’i Iaveh izany.
3Mandritra ny taona enina no hamafazanao ny sahanao, mandritra ny taona enina no handrantsananao ny voalobokao sy hitoazanao ny vokany.
4Fa ny taona fahafito kosa dia ho sabata fitsaharana lehibe ho an’ny tany, sabata fankalazana an’i Iaveh, ka tsy hamafy amin’ny taninao ianao na handrantsana ny voalobokao.
5Aza mijinja izay maniry, avy amin’ny voa nihintsana tamin’ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin’ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an’ny tany izany.
6Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin’ny ankizy lahinao, ny ankizy vavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao;
7ary ho an’ny biby fiompinao koa sy ny biby dia, eo amin’ny taninao, dia hatao fivelomana ny vokany rehetra.»
B. Ny taona jobily8Hanisa taon-tsabata fito impito fito taona ianao: fotoana mahalany sivy amby efapolo taona no faharetan’izany taona sabata fito izany.
9Ny andro fahafolon’ny volana fahafito dia tsofy ataovy manakoako ny feon’ny trômpetra; amin’ny andron’ny fanonerana dia tsofy hatraiza hatraiza eo amin’ny taninareo ny trômpetra.
10Ary ankamasino ny taona fahadimampolo, ataovy antso avo ny fahafahana ho an’ny mponina rehetra amin’ny tany. Fa jobily ho anareo izany, ka samia ianareo mody amin’ny taniny avy, samia mody ao amin’ny fianakaviany avy.
11Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,
12fa Jobily izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.
13Amin’izany taona Jobily izany, samia ianareo mody amin’ny taninareo avy.
14Raha misy varotra hifanaovanareo amin’ny namanareo, na misy zavatra vidinareo aminy, dia aza misy mamono antoka ny rahalahiny.
15Araka ny isan-taona isaina hatramin’ny Jobily lasa teo no hividiananao amin’ny namanao, ary araka ny isan’ny fotoam-pahavokarana no hivarotany aminao.
16Araka ny hamaroan’ny taona mbola ho avy no hanondrotanao ny vidiny, ary araka ny havitsian’ny taona no hampihenanao ny vidiny: satria ny isan’ny vokatra isan-taom-pijinjana no ivarotany aminao.
17Aza misy mamono antoka ny rahalahinareo ianareo, fa matahora an’Andriamanitra, satria Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
18Araho ny didiko; tandremo ny fitsipiko, ary tanteraho izany, ka handry feizay amin’ny tany ianareo.
19Ny tany hahavokatra, ianareo hihinana amim-panaranam-po, ka dia handry feizay ianareo.
Antoka omen’Andriamanitra20Ndrao manao hoe ianareo: Inona no hohaninay amin’ny taona fahafito, fa tsy hamafy izahay, na hampakatra ny vokatray?
21Hampidina aminareo ny fanambinako amin’ny taona fahenina aho, dia hahavokatra ho ampy anareo telo taona izy;
22amin’ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy ianareo, ary hatramin’ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran’ny taona dia hihinana ny tranainy ianareo.
Vokatry ny fahamasinanaa) Ny tany: fanavotana ny tanàna23Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.
24Avelao ho azo avotana avokoa ny tany ao amin’ny tany rehetra hanananareo.
25Raha tonga mahantra ny rahalahinao ka ivarotany ny sasany amin’ny taniny, dia ny solony, ny havany akaiky, no ho avy ka hanavotra izay namidin’ny rahalahiny.
26Raha tsy manana olona ho solony ralehilahy, fa ny tenany ihany no mba mahita izay ampy hanavotana azy,
27hisainy ny taona hatramin’ny nivarotany azy, ka izay ankevitry ny taona sisa no haloany amin’ilay nivarotany azy, dia hody amin’ny taniny indray izy.
28Ary raha tsy mahazo izay ampy handoavany izany onitra izany izy, dia hitoetra eo an-tanan’ilay nividy ihany aloha ny tany namidiny, mandra-pahatongan’ny taona Jobily, fa amin’ny Jobily dia afaka izy, ka hody amin’ny fananany indray.
29Raha misy olona mivarotra trano ao anaty tanàna mimanda dia azony avotana izany, mandritra ny herintaona hatramin’ny nivarotany azy, ka maharitra herintaona maninjitra no ahazoany manavotra azy.
30Fa raha tsy voaavotra mandra-pahatapitry ny herintaona maninjitra kosa ilay trano ao anaty tanàna mimanda, dia tapaka varo-maty ho an’ilay nividy azy sy ho an’ny taranany, ka tsy ho afaka aminy amin’ny Jobily.
31Fa ny trano ao amin’ny tanàna tsy voaisy manda manodidina kosa, dia hatao momba ny tany ihany: azo avotana ireny, ary ho afaka amin’ny Jobily.
32Ny amin’ny tanànan’ny Levita kosa, ny amin’ny trano hananany ao an-tanàna, dia azony avotana hatrany hatrany.
33Raha misy mividy trano amin’ny Levita, dia ho afaka amin’ny Jobily ny trano namidy ao amin’ny tanàna efa nomena azy ireo; satria ny trano ao an-tanànan’ny Levita dia fananany eo afovoan’ny zanak’i Israely.
34Ny saha manodidina ny tanànan’ny Levita, dia tsy hamidy fa fananany mandrakizay izany.
Ny olona: ampisamborina, afahana35Raha misy rahalahinao mihamahantra sy mihaòsa tanana eo akaikinao, na dia izay hafa firenena na vahiny aza, dia tohano izy, mba hivelona eo akaikinao.
36Aza maka zana-bola na tombony aminy, fa matahora ny Andriamanitrao, ka aoka hivelona eo akaikinao ny rahalahinao.
37Aza mampanàna vola aminy, na mampisambotra hanina hilàn-tombony aminy.
38Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, Izay namoaka anareo tany amin’ny tany Ejipta, hanomezako anareo ny tany Kanaana, mba ho Andriamanitrareo.
39Raha mihamahantra ny rahalahinao eo akaikinao, ka mivaro-tena aminao, aza dia ampanaovina asan’andevo izy,
40fa ataovy toy ny mpikarama, na vahiny an-trano, ary mandra-pahatongan’ny taona Jobily no hanompoany anao.
41Amin’io dia ho afaka izy mbamin’ny zanany miaraka aminy, ka hody any amin’ny fianakaviany sy hiverina amin’ny fananan-drazany indray.
42Fa mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy ireo ka tsy hamidy toy ny fivarotra andevo.
43Tsy hizaka azy amin-kalozana ianao, fa hatahotra ny Andriamanitrao.
44Ireo firenena manodidina anao no azonao angalana andevo lahy na vavy, mba ho anao; amin’ireo no hividiananareo ankizy lahy aman’ankizy vavy.
45Ireo zana-bahiny mitoetra eo aminareo koa no azonareo ividianana, na ireo fianakavian’izy ireo, izay miara-monina aminareo, sy naterany teo amin’ny taninareo; ka dia ho fanananareo ireny.
46Havelanareo ho lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hizakany azy ireo toy ny fananana; ho andevonareo mandrakizay izy. Fa raha ny amin’ny rahalahinareo, ny zanak’i Israely kosa, dia aza misy aminareo mizaka ny rahalahiny amin-kalozana.
47Raha misy olon-kafa firenena na vahiny tonga manan-karena teo akaikinao ary misy rahalahinao nihanahantra teo akaikiny, ka nivaro-tena tamin’ilay hafa firenena vahiny eo akaikinao, na amin’ny taranaky ny fianakaviana hafa firenena,
48dia azo avotana izy, rehefa nivaro-tena; ny iray amin’ny rahalahiny no mahazo manavotra azy;
49na ny rahalahin-drainy, na ny zana-drahalahin-drainy mahazo manavotra azy; na ny iray amin’ny havany akaiky mahazo manavotra azy; na ny tenany, rehefa mba mahazo harena izy, dia hiavo-tena.
50Izy sy ilay nividy azy no hiara-manisa ny taona hatramin’ny nivarotany tena tamin’izy io, ka hatramin’ny taona Jobily; dia hatao araka izay isan’ny taona ny vola nivarotany ny tenany; hotombanana toy ny fanao amin’ny mpikarama izay andro niasany.
51Raha mbola maro ny taona sisa, dia haloany araka izay isan’izany taona izany ny vola avony, atao ara-kevitry ny vola nividianana azy ihany.
52Ary raha vitsy sisa ny taona hatramin’ny taona Jobily, dia isaina izany: hatao araka izany taona izany ny vola avony haloany.
53Ho toy ny mpikarama an-taona no ho fitoetrany ao aminy; ary tsy ho an-kalozana no hitondrany azy, eo imasonao.
54Raha tsy misy hanavotana azy akory, dia ho afaka amin’ny taona Jobily izy mbamin’ny zanany miaraka aminy.
55Satria amiko ny zanak’i Israely no mpanompo; mpanompoko nentiko nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta izy. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.