Salamo 113 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 113 (Volgata 112)Ho an’Andriamanitra be voninahitra sy mangoraka

1Aleloia!

Miderà ianareo, ry mpanompon’i Iaveh,

miderà ny Anaran’i Iaveh.

2Hisaorana anie ny Anaran’i Iaveh,

dieny ankehitriny ka ho mandrakizay!

3Hoderaina anie ny Anaran’i Iaveh,

hatreo amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatreo amin’ny filentehany.

4Tafasandratra ambonin’ny firenen-drehetra i Iaveh,

mihoatra ny lanitra ny voninahiny.

5Iza no tahaka an’i Iaveh Andriamanitsika?

izay mipetraka any amin’ny avo,

6ary mitsinjo atỳ ambany,

eny an-danitra sy etỳ an-tany.

7Manandratra ny ory hiala amin’ny vovoka Izy,

manesotra ny mahantra hiala amin’ny zezika Izy;

8mba hampipetraka azy miaraka amin’ny andriandahy,

dia miaraka amin’ny andriandahin’ny vahoakany.

9Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy,

manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany.

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help