Ezekiela 10 - Malagasy Catholic Bible

(Jereo Ezek 1,4-28)

1Ary nahita aho, ka indro teo ambonin’ny andohalambo, tambonin’ireo lohan’ny Kerobima, dia nisy hoatra ny vato safira; nisy zavatra mitarehin-tseza fiandrianana no fijery azy, teo ambonin’ireo.

2Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy mitafy rongony fotsy madinika: «Mandehana ho ao anelanelan’ny kodiarana, ambanin’ny Kerobima; fenoy vain’afo avy eo anelanelan’ny Kerobima ny tanan-droanao, ka afafazo amin’ny tanàna izany.» Dia nankao izy teo imasoko.

3Nijanona teo ankavananan’ny trano ny Kerobima, raha nankao ilay lehilahy, ka nahafeno ny kianja anatiny ny rahona.

4Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.

5Re hatrany amin’ny kianja ivelany, ny fikopakopaky ny elatry ny Kerobima hoatra ny feon’Andriamanitra Tsitoha, raha miteny izy.

6Nony nandidy an-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika Izy, nanao hoe: «Makà afo ao anelanelan’ny kodiarana, anelanelan’ny Kerobima,» dia nandroso ho eo anilan’ny kodiarana izy.

7Ary ny Kerobima naninjitra ny tanany eo anelanelan’ny Kerobima ho ao amin’ny afo izay eo anelanelan’ny Kerobima, dia nalainy ka nataony teo an-tanan-dralehilahy mitafy rongony fotsy madinika, izay nandray izany, dia nivoaka.

8Fa nisy endri-tanan’olona, hita teo ambany elatr’ireo Kerobima.

9Ary nahita aho, ka indreo, nisy kodiarana efatra, teo anilan’ireo Kerobima, kodiarana iray avy no teo anilan’ny isan-Kerobima; ary ny endriky ny kodiarana dia toy ny an’ny vaton’i Tarsisa.

10Ary araka ny fijery azy ireo, dia sahala izy efatra; dia hoatra ny kodiarana itsofohan’ny kodiarana eo afovoany.

11Raha mandeha izy, dia mizotra tandrifin’ny lafiny efatra, tsy miherika eny am-pandehanany, fa izay fitoerana itodihan’ny lohany no alehany, tsy miherika eny am-pandehanany.

12Ary feno maso avokoa ny manodidina ny tenan’ny Kerobima, ny lamosiny, ny tanany, ny elany, mbamin’ny kodiarana; samy nanana ny kodiarany avy izy efatra.

13Ny kodiarana dia mailaka no anarana fiantsoana azy.

14Isan-Kerobima samy nanan-tarehy efatra avy: ny tarehin’ny voalohany, tarehin-Kerobima, ny tarehin’ny faharoa, tarehin’olona; ny an’ny fahatelo, tarehin’ombalahy; ary ny an’ny fahefatra, tarehim-boromahery.

15Dia niakatra ny Kerobima, dia izany no ilay zava-manana aina hitako tany amin’ny ony Kobara.

16Raha nandeha ny Kerobima, nandeha teo anilany koa ny kodiarana, ary raha nanainga elatra hisondrotra avy amin’ny tany ny Kerobima dia tsy nivily koa ireo kodiarana; tsy niala teo anilan’ireo.

17Raha nijanona izy, nijanona koa ireo; raha nisondrotra izy, niara nisondrotra taminy koa ireo; satria tao amin’izy ireo ny Fanahin’ny zava-manana aina.

Ilaozan’ny voninahitr’i Iaveh ny Tempoly

18Niala teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny trano, ny voninahitr’i Iaveh, dia nijanona teo ambonin’ny Kerobima.

19Nanainga elatra ny Kerobima sy nisondrotra avy amin’ny tany teo imasoko, ary nony niainga izy, niaraka taminy ny kodiarana. Nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’i Iaveh izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitr’i Israely dia teo aminy, teo amboniny.

20Izany no ilay zava-manana aina hitako teo ambanin’ny Andriamanitr’i Israely, teo amin’ny ony Kobara; ary nahalala aho fa Kerobima izany.

21Samy nanan-tarehy efatra, ary samy nanana elatra efatra avy izy; ary nisy endri-tanan’olona, teo ambany elany.

22Ary ny amin’ny fijery ny tavany dia ireo tava hitako teo amoron’ny ony Kobara ihany; sahala ny fijery azy; tena ilay tany ihany izany. Samy nandeha tamin’izay hitsiny avy izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help