Asan’i Apôstôly 20 - Malagasy Catholic Bible

Niala tao Efezy i Paoly

1Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra i Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedônia.

2Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin’ny teny maro, dia lasa nankany Gresy.

3Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an’i Masedônia.

4Ary ireto no niaraka hatrany Azia: i Sôpatera zanak’i Pirosy avy any Berea, i Aristarka sy i Sekondosy avy any Tesalonika, i Gaiosy avy any Derbe, ary i Timote sy i Tisìka sy i Trôfima avy any Azia.

5Dia nialoha izy ireo, ka niandry anay tany Trôasy.

6Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian’ny andron’ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin’izy ireo tany Trôasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay.

7Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo i Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin’ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.

8Jiro maro no tao amin’ny efitra ambony niangonanay.

9Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotìka, nipetraka teo am-baravarankely; sondriantory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin’i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin’ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty.

10Nidina namonjy azy i Paoly, dia niondrika teo amboniny sy nanohona azy, ary nanao hoe: «Aza manana ahiahy ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.»

11Dia niakatra indray i Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamaraina ny andro, vao lasa nandeha.

12Ilay tovolahy tamin’izay dia efa velona ka nentin’izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe.

Tao Trôasy i Paoly, namelona olona maty

13Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asôsy, fa eo no handraisanay an’i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy.

14Nony tafahaona taminay tany Asôsy izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay.

15Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin’i Kiô ny ampitso, ary nitody tao Samôsy ny ampitson’izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson’iny indray.

16Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren’i Paoly mba tsy hitoerany ela any Azia: satria maika hamonjy ny andron’ny Pantekôty any Jerosalema izy raha azo atao.

Avy ao Trôasy nankany Mileto

17Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an’ireo Pretran’ny Fiangonana.

18Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: «Fantatrareo hatramin’ny andro voalohany nahatongavako teto Azia, izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany;

19fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren’ny Jody ahy.

20Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo ampahibemaso sy isan-trano.

21Nambarako tamin’ny Jody sy tamin’ny Jentily ny fanatonana an’Andriamanitra amin’ny fibebahana sy ny finoana an’i Jesoa Tompontsika.

22Ary ankehitriny indro teren’ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjò ahy any.

23Izao ihany no ambaran’ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy.

24Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»

Nanaovam-beloma ny loholona avy any Efezy

25«Eny iky, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan’Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo rehetra.

26Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin’ny ranareo rehetra aho,

27satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.

28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren’ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo ny Eglizin’ny Tompo izay novidiny tamin’ny Rany.

29Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry.

30Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy.

31Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman’alina nananatra anareo tsirairay avy, tamin-dranomaso!»

32«Ary ankehitriny, ankiniko amin’Andriamanitra sy amin’ny tenim-pahasoavany ianareo, dia amin’Ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin’Izay efa masina rehetra.

33Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian’olona aho.

34Fantatrareo fa ireto tanana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain’izay rehetra niaraka tamiko.

35Nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa ianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin’i Jesoa Tompo manao hoe: ‹Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.› »

36Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin’izy rehetra.

37Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon’i Paoly ary nanoroka azy,

38fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin’ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony ianareo. Dia nanatitra azy hatreny an-tsambo izy ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help