Sôfônia 3 - Malagasy Catholic Bible

3. FAMELEZANA AN’I JEROSALEMAFamelezana an’ireo mitondra ny firenena

1Mila loza ilay miodina sy voaloto

dia ny tanàna fampahoriana!

2Tsy nisy feo nohenoiny akory, tsy nandray anatra izy,

tsy niankina tamin’i Iaveh,

tsy nanatona an’Andriamaniny.

3Ao aminy, ny mpanapaka, liona mierona;

ny mpitsarany amboadia hariva,

tsy mamela na inona na inona ho tra-maraina.

4Ny mpaminaniny vavàna sady olona mamitaka;

ny mpisorony mandoto ny zava-masina

sy mandika ny lalàna.

5Marina i Iaveh eo afovoany,

tsy misy tsy rariny ny ataony;

mamoaka ny fitsaràny isa-maraina izy

mba hanome ny fahazavana,

ary tsy diso amin’izany izy na oviana na oviana;

fa ny olona tsy tia vavaka tsy mahalala henatra!

Fianarana avy amin’ny natao tamin’ireo hafa firenena

6Firenena maro no naringako, ka rava ny tilikambony,

nataoko lao ny arabeny, ka tsy hisy mpandia intsony;

voarava ny tanànany ka tsy misy olona intsony,

tsy misy mponina na iray aza.

7Hoy aho: Hatahotra Ahy ahay ianao, handray ny anatra;

dia tsy ho rava ny fonenany,

araka izay rehetra notapahiko ny aminy.

Kanjo vao mainka nirotoroto izy ireo

hanimba ny asa rehetra ataony.

8Koa andrasonareo Aho, - teny marin’i Iaveh, -

amin’ny andro hitsanganako haka babo!

Satria izao no didiko, dia ny hanangonako ny firenena,

hamoriako ny fanjakana,

hanidinako ny fahatezerako amin’izy ireo,

dia ny firehetan’ny fahatezerako rehetra.

Fa ny afon’ny fahasaro-piaroko

no handevona ny tany rehetra.

4. FAMPANANTENANANy hibebahan’ny tsy mpino

9Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio

hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’i Iaveh

sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.

10Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia

ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko, hitondra ny fanatitra ho Ahy.

Ireo sisa amin’i Israely: ambany ny osa

11Amin’izany andro izany tsy ho henatra ho anao intsony,

ny asanao rehetra izay nanotanao tamiko;

satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao

ireo izay nifaly tamim-pireharehana;

ary ianao tsy hiavonavona intsony

eo an-tendrombohitro masina.

12Havelako eo aminao

ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray

izay hatoky ny Anaran’i Iaveh.

13Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,

na hilaza lainga,

ary tsy hahitana eo am-bavany intsony

izay lela mandainga.

Fa hihinana sy handry feizay izy ireo,

ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Salamo fifaliana ao Siôna

14Mihobia, ry zanaka vavin’i Siôna!

manaova feo firavoravoana, ry Israely!

Mifalia sy miraharahà amin’ny fonao rehetra,

ry zanaka vavin’i Jerosalema.

15Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’i Iaveh,

ny fahavalonao nentiny mihodivitra anao.

I Iaveh, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao,

ka tsy hahita loza intsony ianao.

16Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!

17I Iaveh, Andriamanitrao no eo aminao, mpamonjy mahery!

Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;

hangina Izy amin’ny fitiavany;

noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.

Ny hiverenan’ireo niely

18Hovoriko ireo latsaka am-pahoriana,

tsy mahita fety lehibe hankalazaina;

satria isan’ny anao ireny, itambesaran’ny latsa.

19Amin’izany andro izany hofaranako

ny amin’ny momba an’ireo rehetra mpampahory anao:

Hovonjeko ikala mandringa,

hangoniko ikala voaroaka,

ka hataoko be voninahitra sy malaza izy ireo,

any amin’ny tany rehetra nanakoràna azy.

20Amin’izany andro izany, hampodiko ianareo;

ary amin’ny andro hanangonako anareo,

hataoko malaza sy be voninahitra ianareo,

any amin’ny firenena rehetra eto an-tany,

rehefa hatsahatro ny fahababoanareo,

eo imasonareo, hoy i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help