1Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.
2Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin’izany, ka nahazo fahotana;
3toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan’olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy.
4Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa atỳ aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin’ny iray amin’ireo zavatra ireo.
5Koa izay nahazo fahotana tamin’ny iray amin’ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin’izay nahadiso azy tamin’ireo,
6ary hitondra ho an’i Iaveh ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin’ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany.
Otan’ny olona sarambabem-bahoaka (tohiny)7Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondry vavy na osy vavy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hateriny ho an’i Iaveh ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana.
8Hoentiny ireo ho eo amin’ny mpisorona izay hamono ny atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin’ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin’ny hatony, ny lohany;
9hofafazany amin’ny ran-tsorona noho ny ota ny lafiny amin’ny ôtely, ary hofiazany eo an-tongotry ny ôtely ny ra sisa; sorona noho ny ota io.
10Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan’ny mpisorona ho an’izany olona izany, ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany.
11Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromahailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon’ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na ampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany.
12Hitondra izany ho eo amin’ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tanana ila amin’izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin’ny ôtely, eo ambonin’ny sorona atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh; sorona noho ny ota izany.
13Toy izany no hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho an’izany olona izany, noho ny ota nataony amin’ny iray amin’ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an’ny mpisorona, toy ny amin’ny fanatitra.
Sorona fanonerana14Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
15Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin’ny fanatitra masina fanao amin’i Iaveh, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin’ny andian’ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin’i Iaveh, hatao sorona fanonerana izany.
16Ary izay tokony ho anjaran’ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampahadiminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin’ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany.
17Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin’ny zavatra noraran’i Iaveh tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany.
18Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin’ny mpisorona hatao sorona fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany.
19Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan’i Iaveh izany olona izany.
20Ary i Iaveh niteny tamin’i Môizy nanao hoe:
21Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin’i Iaveh, fa mandainga amin’ny namana izy ny amin’ny zavatra napetraka taminy, na amin’ny zavatra natao eo an-tanany ho antoka, na amin’ny zavatra nangalariny, na amin’ny zavatra nalainy an-keriny tamin’ny namana,
22na nandainga amin’ny zava-bery hitany, na nanao fianianana tsy marina amin’ny iray amin’ireo zavatra mety hanotan’ny olona ireo:
23raha nanota tamin’izany izy ka mahazo heloka, dia hamerina ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, ny zavatra napetraka hotahiriziny, ny zava-bery hitany;
24na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin’izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an’izay tompon-javatra.
25Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin’ny andian’ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin’ny mpisorona, haterina ho an’i Iaveh, hatao sorona fanonerana.
26Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan’i Iaveh, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.