1Nisy lehilahy anankiray, atao hoe Jôakima, nonina tao Babilôna;
2nanambady vehivavy anankiray, atao hoe Sozana, zanaka vavin’i Helkiasa, sady tsara tarehy tokoa, no natahotra an’Andriamanitra,
3satria olo-marina rainy aman-dreniny, ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn’i Môizy.
4Mpanan-karem-be io Jôakima io, ary nanana zaridaina teo akaikin’ny tranony izy, ary be Jody mankao aminy, satria izy no manan-kaja indrindra tamin’izy rehetra ireo.
5Tamin’izay taona izay, dia notendrena ho mpitsara, ny loholona roa lahy tamin’ny vahoaka; ireo no nitenenan’ny Mpampianatra nataony hoe: «Ireo anti-dahy, izay mpitsara ka toa mitondra ny vahoaka, no nivoahan’ny faharatsiana avy ao Babilôna.»
6Ao an-tranon’i Jôakima no falehan’izy ireo, ary ny olona rehetra manana ady dia manatona azy.
7Tokony ho amin’ny misasaka andro, rehefa lasa ny vahoaka, i Sozana kosa niditra tao anatin’ny zaridainan’ny lahy ka nitsangantsangana tao.
8Hitan’ireo anti-dahy roa lahy izy, niditra sy nitsangantsangana tao isan’andro, ka velom-panirian-dratsy azy mafy izy ireo:
9nosimbany ny sainy ary naviliny tsy hahita ny lanitra ny masony sy tsy hahatsiaro izay fitsarana marin’Andriamanitra.
10Koa samy voan’ny fitiavana an-drazazavavy izy ireo, kanefa tsy nifampilaza ny fijaliana mafy nanjò azy;
11satria samy menatra izy ireo ny hifamosaka ny filàn-dratsy nitaona azy hiaraka amin-drazazavavy;
12Nitsikilo fatratra an-drazazavavy isan’andro ny masony hahitany azy, dia nifampilaza hoe:
13«Andeha hody isika, fa fotoana fisakafoanana izao.» Dia nivoaka samy naningana izy.
14Kanjo tafaverina indray izy ireo ka tafahaona, dia nifanontany ny antony iverenany eo, vao samy vaky milaza ity fanirian-dratsiny avy izy ireo, vao nifanaiky ny amin’ny fotoana mety hahitana azy mitokana.
15Eo am-pikendrena izay fotoana mety indrindra izy ireo, indro i Sozana niditra tao anaty zaridaina toy ny nataony omaly sy afakomaly, tsy narahin’olona afa-tsy ankizivavy roa, fa te-handro tao anaty zaridaina izy, satria nafana ny andro.
16Tsy nisy olona tao, afa-tsy iretsy anti-dahy niery sy nikendry azy.
17Dia hoy razazavavy tamin’ireo ankizivavy: «Itondray diloilo manitra sy menaka fanosorana aho; ary hidio ny vavahadin’ny zaridaina fa handro aho.»
18Nataon’ireo izay nasain’i Sozana nataony; ka nony voahidiny ny vavahadin’ny zaridaina dia nivoaka tamin’ny vavahady anankiray teo ivoho izy, haka ny zavatra nilaina tamin’izy ireo; tsy fantany fa miery ao anaty zaridaina iretsy anti-dahy.
19Vao lasa ireo ankizivavy, dia nitsangana izy roa lahy, nidodododo nankeo amin’i Sozana, ka nanao taminy hoe:
20«Hitanao fa mihidy ny vavahadin’ny zaridaina, tsy misy mahita antsika, ary izahay mirehi-pitiavana anao; koa ekeo ny fanirianay, meteza mba ho anay.
21Fa raha mandà kosa ianao dia hitsangan-ko vavolombelona miampanga anao izahay, hilaza fa nisy tovolahy anankiray nomba anao, ka izany no namerenanao an’ireo ankizivavy.»
22Nisento i Sozana ka nanao hoe: «Latsaka an-katerana mafy aho avy hatraiza hatraiza; hanao izany moa aho, fahafatesana ho ahy izany; tsy hanao izany indray, tsy ho afa-mandositra ny tananareo.
23Aleoko anefa tsy nanao ratsy azon’ny tananareo; toy izay hanota eo anatrehan’ny Tompo.»
24Dia niantso mafy izy; fa mba niantsoantso hamely azy koa, ireto anti-dahy;
25sady nihazakazaka namoha ny vavahadin’ny zaridaina ny iray amin’izy ireo.
26Vao nandre ny antsoantso avy any anaty saha ireo mpanompo tao an-trano, dia nidodododo niditra ny vavahady tao ivoho hizaha izay inona ao.
27Nony nilazalaza ny toe-draharaha ireto anti-dahy dia menatra mafy ireto mpanompo, fa tsy mbola nisy nilaza zavatra toy izany, ny amin’i Sozana na iza na iza.
28Ny ampitson’iny, rehefa tafavory tao amin’i Jôakima vadin’i Sozana ny vahoaka, dia tonga tao koa ireto anti-dahy roa lahy, efa feno hevi-dratsy hamelezana an-drazazavavy mba hahafaty azy.
29Hoy izy ireo teo anatrehan’ny vahoaka: «Ampanalao i Sozana, zanak’i Helkiasa sy vadin’i Jôakima.» Dia naniraka haka azy niaraka tamin’izay ny olona.
30Dia tonga razazavavy nomban’ny ray aman-dreniny sy ireo zanany lahy, ary ny havany rehetra.
31Fatratra ny endrik’i Sozana; ary tsara tarehy aoka izany izy.
32Nivoaly izy, nefa nasain’ireto mpitsara ratsy fanahy nesorina taminy ny voaliny, mba hilomanosany amin’ny hatsaran-tarehiny.
33Fa ny fianakaviana rehetra mbamin’izay nahalala azy kosa, nandatsa-dranomaso avokoa.
34Dia nitsangana teo afovoan’ny vahoaka ireto anti-dahy roa lahy, nametra-tanana tamin’ny lohan-drazazavavy;
35izy kosa, sady nitomany no niandrandra ny lanitra, satria natoky ny Tompo izy.
36Ary hoy ireto anti-dahy: «Raha nitsangantsangana tao anaty zaridaina izahay dia honjohonjonay ihany, indro izy niditra, narahin’ankizy vavy roa; ka nasainy nohidiana ny vavahadin’ny zaridaina dia naveriny ireo ankizy vavy roa ireo.
37Ary nisy tovolahy anankiray efa namitsaka tao, nanatona azy, dia nanao ratsy taminy.
38Tao an-joron’ny zaridaina izahay, fa rehefa nahita izany heloka izany dia niroatra nankeo amin’izy ireo, ka tratranay tamin’izany fahavetavetana izany izy.
39Tsy azonay nosamborina ilay tovolahy, fa matanjaka noho izahay, ka novohainy ny vavahady dia nitsoaka izy.
40Razazavavy kosa, nony azonay, nanontanianay hoe: iza iny tovolahy iny, nefa tsy nety nilaza taminay izy. Izany no filazanay marina.»
41Nino izany ny be sy ny maro, satria anti-dahy ireo sady mpitsara ny vahoaka, ka dia nohelohin’izy ireo ho faty razazavavy.
42Tamin’izay, i Sozana niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: «Ry Andriamanitra mandrakizay ô, Ianao no mahalala ny miafina sy mahafantatra ny zavatra rehetra alohan’ny hahatongavany aza,
43fantatrao fa lainga no niampangan’izy ireo ahy, ary indro aho fa maty, nefa izay noforoniny an-kasomparana hamelezana ahy, tsy misy nataoko akory.»
44Nohenoin’ny Tompo ny feony.
45Ary raha ilay nitondra azy hovonoina iny ny olona, Andriamanitra kosa nanaitra ny fanahy masin’ny zazalahy anankiray, atao hoe Daniela.
46Niantso tamin’ny feo avo io nanao hoe: «Raha izaho dia afa-tsiny amin’ny ran’io vehivavy io.»
47Niherika nankany aminy avokoa ny vahoaka, sady nanao taminy hoe: «Inona no hevitr’izany teny lazainao izany?»
48Dia nijoro tao afovoan’ny vahoaka i Daniela, nilaza hoe: «Hay va re adala toy izany ianareo, ry zanak’i Israely, ka hampamono ny zanaka vavin’i Israely, nefa tsy mbola namototra na nikaroka izay marina ianareo?
49Miverena ho any an-trano fitsarana, fa lainga no niampangany azy io.»
50Dia niverina faingana ny vahoaka ary hoy ny loholona tamin’i Daniela: «Avia, hiara-mipetraka aminay ianao, ary aposahy ny hevitra, fa efa nomen’Andriamanitra anao ny voninahitry ny fahanterana.»
51Ka hoy i Daniela tamin’ny vahoaka: «Saraho hifanalavitra izy roa lahy, fa hotsaraiko izy.»
52Nony tafasaraka izy ireo, nantsoin’i Daniela ny anankiray, dia hoy izy taminy: «Ry olona nihantitra tamin’ny fanaovan-dratsy ô, indreo hifotitra aminao ny fahotana nataonao izay ela izay;
53ianao efa namoaka fitsarana tsy marina, nanameloka ny tsy manan-tsiny, ary nandefa ny meloka; nefa hoy ny Tompo hoe: ‹Aza mampamono ny tsy manan-tsiny sy ny marina.›
54Ka raha nahita an-drazazavavy àry ianao, dia lazao hoe: ‹Teo ambany hazo inona no niresaka izy ireo?› » Hoy ny navaliny hoe: «Teo ambany lentisìka.»
55Dia hoy i Daniela: «Izany tokoa fa lainga lazainao izany hahafaty anao, fa vonon-kanataka anao hisasaka ny Anjelin’Andriamanitra, izay efa nahazo teny tamin’Andriamanitra sahady.»
56Nony nampihataka an’io izy, nasainy nampidirina indray ilay anankiray, ka hoy izy taminy: «Ry taranak’i Kanaana, fa tsy mba taranak’i Jodà ô, sodokan’ny hatsaran-tarehim-behivavy ianao; ary voasimban’ny filàn-dratsy ny fonao.
57Izany no nataonareo tamin’ny zanaka vavin’i Israely; ary izy ireo, noho ny tahony anareo, dia niresaka taminareo; fa ity zanaka vavin’i Jodà ity kosa tsy mba nety nandefitra izay faharatsianareo akory.
58Koa lazao amiko ankehitriny hoe: teo ambany hazo inona moa no tratranareo niresaka izy ireo?» Hoy izy: «Teo ambany oaka.»
59Ka hoy i Daniela taminy: «Izany tokoa, fa lainga lazainao izany, hahafaty anao; fa efa miandry ny fotoana hamakiany anao hisasaka ny Anjelin’ny Tompo, mitan-tsabatra, hamono anareo.»
60Dia nihoraka mafy ny vahoaka rehetra tafavory, ary nisaotra an’Andriamanitra, fa mamonjy izay nanantena Azy Izy.
61Nony inona nitsangana izy ireo, hamely an’ireto anti-dahy roa lahy, izay nataon’i Daniela vaky lainga, araka ny teny naloaky ny vavany ihany ho miampanga tsy marina; ka ny ratsy notadiaviny hatao tamin’ny namany ihany, no nataony tamin’izy roa lahy,
62mba hahatanteraka ny lalàn’i Môizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny ra tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin’izany andro izany. Nidera an’Andriamanitra noho ny amin’i Sozana zanany vavy,
63i Helkiasa sy ny vadiny, mbamin’i Jôakima vadin-drazazavavy, sy ny havany rehetra, satria tsy nahita zava-mahafa-baraka kely akory razazavavy.
64Ary tonga nalaza teo anatrehan’ny vahoaka i Daniela hatramin’izay andro izay, ka hatraty aorian’izany koa.
65Nony voaangona tany amin’ny razany i Astiaza mpanjaka, dia i Sirosa, ilay Persa, no nandray ny fanjakana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.