Izaia 39 - Malagasy Catholic Bible

Masoivohon’i Babilôna(Jereo 2Mpa 20,12-19)

1Tamin’izany andro izany, i Merôdàka-Baladàna, zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna, nampitondra taratasy amam-panomezana ho an’i Ezekiasa, fa efa reny ny naharariany sy ny nahasitranany.

2Faly i Ezekiasa tamin’ny nahatongavan’ireo iraka ireo ka nasehony azy ny trano fitahirizany ny rakiny, ny volafotsy amam-bolamena, ny zava-manitra aman-diloilo sarobidy, ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny trano firaketany; tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa an’ireo na ny tao an-tranony, na ny teo amin’ny fanjakany rehetra.

3Dia nankeo amin’i Ezekiasa mpanjaka i Izaia, mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Inona no nolazain’ireo olona ireo; ary avy aiza izy ireo no nankatỳ aminao?» Hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy lavitra izy ireo no nankatỳ amiko; avy any Babilôna.»

4Ary hoy i Izaia: «Inona avy no hitany tato an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay rehetra ato an-tranoko; tsy misy tsy nasehoko azy ny firaketako rehetra.»

5Dia hoy i Izaia tamin’i Ezekiasa: «Henoy ny tenin’i Iavehn’ny tafika:

6Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin’ny razanao mandrak’androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy i Iaveh.

7Ary amin’ireo zanakao, avy amin’ny tenanao, naterakao, dia hangalana hatao eonoka, any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»

8Ka hoy i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh nambaranao»; ary nanampy teny izy nanao hoe: «Fa hisy fiadanana sy fandriana feizay, amin’ny androko.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help