1Nony ren’ny foloalindahy rehetra fa hoe tapa-doha i Hôlôferina, dia veriny avokoa ny heviny amam-pahamalinany, fa ny tahotra amam-badi-po no nanindry azy mafy, ka ny hanavotra aina amin’ny lositra no nalehany.
2Tsy nifampiteny indraimbava akory izy ireo, fa samy niondri-doha sy namela teo ny zavatra rehetra fa dodona hitsoaka tsy ho tratry ny Hebrio, izay reny tamy mitam-piadiana hamely azy, ka dia vaky nandositra namakivaky ny saha izy sy namonjy ny sakeli-dalana amin’ny tendrombohitra.
3Nony hitan’ny zanak’i Israely fa nandositra izy ireo, dia notanahiny nenjehina, nirotsahany tamim-pitsofan-trômpetra, ary nohorakorahany mafy avy ato aoriany.
4Noho ny Asirianina niparitaka sady nikoropaka mafy teo am-pandosirana, ary ny zanak’i Israely kosa nikambana ho antokony iray monja teo am-panenjahana azy, dia nataony jinja fary avokoa izay rehetra tratrany.
5Tamin’izay koa nolefasan’i Oziasa iraka avokoa ny tanàna aman-tsahan’i Israely rehetra;
6ka isam-bohitra sy isan-tanàna, samy nampandray fiadiana ny tovolahy voafantina teo aminy avy, sy nandefa ireo hanaraka ny Asirianina, ka nanenjika azy tamin’ny lelan-tsabatra ireo hatrany amin’ny faran’ny sisin-taniny.
7Izay tafajanona tany Betolia kosa, niditra tao an-tobin’ny Asirianina nandraoka ny babo rehetra nilaozan’ny Asirianina nandositra, ka niverina mavesatr’izany.
8Etsy an-daniny koa izay avy nandresy ka niverina ho any Betolia, nifaoka izay rehetra nananan’ny Asirianina, dia biby fiompy tsy hita isa, sy biby mpitondra entana mbamin’ny entany rehetra, ka samy nahazo harena tamin’ny babo azony avokoa, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra.
Fisaorana sy fankasitrahana9Avy ao Jerosalema i Jôakima mpisoron-dehibe dia tonga tao Betolia niaraka amin’ny loholona rehetra hamangy an’i Jodita.
10Nony nivoaka hitsena azy izy, indray niredona nisaotra azy izy rehetra nanao hoe: «Ianao no tabihan’i Jerosalema; ianao no fifalian’i Israely; ianao no voninahitry ny firenentsika.
11Satria nitomban-dahy ny fanahinao, ary feno herim-po ny fonao; satria tia fahadiovana ianao, fa nony maty ivadinao tsy nety nahalala hafa ianao, fa ny tanan’ny Tompo nanafy hery anao, ka hisaorana mandrakizay ianao.»
12Dia indray namaly hoe, ny vahoaka: «Ho tanteraka anie izany! Ho tanteraka anie izany!»
13Saika tsy ampy ny telopolo andro, hanangonan’i Israely ny babo tamin’ny Asirianina.
14Nomen’ny vahoaka an’i Jodita avokoa ny volamena amana volafotsy, sy ny fitafiana amana vatosoa, mbamin’ny zavatra rehetra fantatra fa an’i Hôlôferina.
15Ary niara-nifaly avokoa ny vahoaka mbamin’ny vehivavy, ny zatovovavy, ny zatovolahy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.