Ezekiela 5 - Malagasy Catholic Bible

1Ary ianao, ry zanak’olona, makà lelan-java-maranitra, raiso izy ho harezan’ny mpanala volombava, dia ento mitety ny lohanao sy saokanao izy; raha efa izany, makà mizana fandanjàna, ka zarao izay voatapakao.

2Ny ampahatelony dory amin’ny afo, eo afovoan’ny tanàna, rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; ny ampahatelony, alao ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ny ampahatelony aelezo ho amin’ny rivotra, fa hanatsoaka sabatra avy ao aoriana Aho.

3Ary akao vitsivitsy izy, fonosy amin’ny sisin-dambanao;

4ka io sisa io indray, analao, ka hatsipinao ao anaty afo, ka hodoranao amin’ny afo. Avy eo no ivoahan’ny afo ho amin’ny taranak’i Israely rehetra.

5Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.

6Noho ny haratsiany anefa, nanohitra ny didiko mihoatra noho ny firenena izy, sy ny lalàko mihoatra noho ny tany manodidina azy, satria nanary ny didiko izy, ary tsy nandeha araka ny l?lako.

7Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Satria ianareo niodina mihoatra noho ny firenena manodidina anareo, tsy nandeha araka ny lalàko, tsy nanaraka ny didiko, ary tsy nanao araka ny fomba fanaon’ireo firenena manodidina anareo;

8noho izany, izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro kosa Aho izao tamy hamely anao, Izaho no hanatanteraka eo afovoanao ny teny voatapaka eo imason’ireo firenena;

9ary noho ny fahavetavetanao rehetra, dia zavatra tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko intsony koa, no hataoko aminao;

10noho izany, dia hisy ray hihinana ny zanany eo aminao; ary hisy zanaka hihinana ny rainy. Hampihatra fitsarana aminao Aho, ary haeliko any amin’ny vazantany rehetra, izay sisa eo aminao.

11Koa amin’izany, velona Aho - teny marin’i Iaveh Tompo; - noho ianao nandoto ny fitoerako masina tamin’ny zava-mahamenatra amam-pahavetavetana rehetra nataonao; Izaho koa hanorotoro, ka tsy hanana antra ny masoko, ary tsy hamindra fo Aho.

12Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.

13Dia hiala fo ny fahatezerako, ary haraniko mamely azy ireo ny fahavinirako, dia ho afa-po Aho, ary izy kosa hahalala, rehefa nampanaraniko namely azy ny fahatezerako, fa tamin’ny fahasaro-piaroko no efa nitenenako Izaho Iaveh.

14Hatolotro halàm-baraka sy hampahorina any amin’ny firenena manodidina anao ianao, eo imason’ny mpandalo rehetra.

15Rehefa avy izay hanatanterahako fitsarana aminao amim-pahatezerana amam-pahavinirana, sy amim-pamaizan’ny fahavinirako, ianao dia ho latsa sy henatra ary ho fananarana amam-pampitahorana ho an’ny firenena manodidina anao;

16- Izaho Iaveh no milaza - rehefa alefako amin’izy ireo ny zana-tsipìka mandozan’ny mosary, izay enti-mandringana, ka halefako aminareo handringana anareo; fa hampitomboiko koa ny mosary eo aminareo, ary hotapahiko ny tehina mofo ho anareo.

17Ary handefa mosary sy biby mandoza eo aminareo Aho, izay hanesotra aminao ny zanakao; hihatra aminao ny pesta amam-pandatsahan-dra, ary hataoko mifantaka aminao ny sabatra; Izaho no miteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help