1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2Mitenena ianao amin’i Aarôna sy ny zanany ary ny zanak’i Israely rehetra. Lazao aminy hoe: Izao ny didin’i Iaveh:
3Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely mamono omby na ondry na osy, ao an-toby na any ivelan’ny toby,
4nefa tsy nitondra azy teo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’i Iaveh, eo anoloan’ny fonenan’i Iaveh, dia hahameloka azy izany, fa nandatsa-dra izy, ka hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany;
5mba tsy ho eny an-tsaha no hamonoan’ny zanak’i Israely ny zavatra vonoiny, fa hoentiny amin’ny mpisorona, eo anatrehan’i Iaveh, ao anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hateriny ho sorona fihavanana amin’i Iaveh.
6Ny ra, hatopin’ny mpisorona amin’ny ôtelin’i Iaveh, eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana; ny sabora, hodorany hanetona ho hanitra ankasitrahin’i Iaveh.
7Ka dia tsy hanatitra intsony ny sorona ataony ho an’ny satira izay tompoiny izy. Lalàna tsy tapaka ho azy ireo hatrany amin’ny taranaka mifandimby izany.
8Izao koa no lazao amin’izy ireo: Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany hanatitra sorona dorana na fanatitra,
9ka tsy mitondra ny sorona eo anoloan’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, hatolotra ho sorona ho an’i Iaveh, dia hofongorana amin’ny fireneny izany olona izany.
10Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, hihinana ram-biby, na biby inona na biby inona, dia hanandrina izay olona mihinan-dra ny Tavako, ka hofongorako amin’ny fireneny izy;
11satria ny ain’ny nofo dia amin’ny ra, ka ny hanolorana azy eo amin’ny ôtely hanaovana fanonerana ho an’ny ainareo, no nanomezako azy anareo, fa noho ny aina ao aminy no ahavitan’ny ra fanonerana.
12Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza misy mihinan-dra ianareo, ary ny vahiny mitoetra eo aminareo aza misy mihinan-dra.
13Na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo afovoany, mihaza ka mahazo biby na vorona fihinana, dia hararany ny ra, sy hototofany tany,
14satria ny rany no ain’ny nofo rehetra: izy no ainy. Izany no nilazako tamin’ny zanak’i Israely hoe: Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona na nofon’inona, fa ny ain’ny nofo rehetra, dia ny rany; ka hofongorana izay mihinana izany.
15Ny olona rehetra na tompon-tany na vahiny, mihinana biby maty ho azy na voaviravira, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ny andro, vao hadio.
16Fa raha tsy manasa ny fitafiany sy ny tenany izy, dia hivesatra ny otany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.