1Teny fanao ny hoe: Raha misy lehilahy misao-bady,
ary rehefa nilaozany io,
dia tonga vadin’olon-kafa ravehivavy;
moa hiverina aminy indray va ralehilahy io?
Tsy ho tena voaloto mihitsy va izany tany izany?
Ary ianao, dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro,
- teny marin’i Iaveh, -
ka hiverina amiko indray va ianao?
2Andrandrao amin’ny havoana ny masonao, ka jereo:
Taiza no tsy nandotoana anao?
Nipetraka eny an-dalambe eny ianao mba ho azy ireo,
mova tsy ny Arabo any an’efitra!
Ary ny fijangajanganao sy ny haratsiam-panahinao,
dia efa nandotoanao ny tany;
3ka voasakana ny oram-pararano
tsy nisy ny oran-dohataona.
Nefa handrim-behivavy janga ny anao,
ka tsy nety nahalala menatra ianao.
4Ary ankehitriny kosa izao manko no lazainao amiko:
«Ry Raiko ô, ianao ilay sakaizan’ny fahatanorako.
Ho tezitra mandrakariva va izy,
hitahiry fahatezerana mandrakizay va izy?
5Izany no lazainao,
nefa mbola manao ratsy ihany ianao,
sady mahatanteraka izany.»
Antsoina hibebaka i Israely any Avaratra6Izao no lazain’i Iaveh tamiko,
tamin’ny andro nanjakan’i Josiasa mpanjaka:
«Hitanao va ny nataon’i Israely mpiodina?
Lasa nankany amin’ny tendrombohitra avo rehetra izy,
sy teny ambany hazo maitso rehetra teny
ka nitolo-tena tamin’ny hafa tany!»
7Dia hoy aho: «Hiverina amiko izy,
rehefa avy nanao izany rehetra izany!»
Kanjo tsy niverina izy.
I Jodà, mpivadika, rahavaviny, dia nahita izany koa.
8Ary hitako fa izany fitolorana tena amin’ny hafa izany,
no nisaorako an’i Israely mpiodina,
sy nanomezako azy taratasy fisaorana:
nefa tsy natahotra akory i Jodà, mpivadika, rahavaviny,
fa lasa nitolo-tena tamin’ny hafa mbamin’izy koa aza.
9Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany,
ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.
10Ary na izany rehetra izany koa aza i Jodà mpivadika, rahavaviny,
tsy niverina tamiko, tamin’ny fony rehetra,
fa tamim-pitaka fotsiny, - teny marin’i Iaveh.-
11Ary hoy i Iaveh tamiko:
I Israely ilay mpiodina no niseho ho marina ihany,
raha miolotra amin’i Jodà ilay mpivadika.
12Koa mandehana,
ary ireto teny ireto ataovy amin’ny feo avo,
amin’ny lafiny avaratra ka lazao hoe:
Miverena, ry Israely mpiodina, - teny marin’i Iaveh -
Tsy sitrako ny hanenjan-tava aminareo,
fa mamindra fo Aho - teny marin’i Iaveh -
ka tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.
13Mieke anefa ny hadisoanao,
satria niodina tamin’i Iaveh Andriamanitrao ianao,
ka nandehandeha foana tany amin’ny tany hafa,
teny ambany hazo maitsonao teny,
fa tsy nihaino ny feoko ianareo, - teny marin’i Iaveh. -
Ilay vahoaka mesianîka ao Siôna14Miverena, ry zaza mpiodina, - teny marin’i Iaveh, -
fa Izaho no Tomponareo;
ary halaiko ianareo, ny iray ao amin’ny tanàna iray,
ary ny roa amin’ny fianakaviana iray;
ka hoentiko any Siôna.
15Dia homeko mpiandry araka ny foko ianareo,
izay hamahana anareo amim-pahalalana sy fahendrena.
16Ary rehefa mitombo
sy mihamaro amin’ny tany ianareo,
amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh, -
amin’izany tsy hisy intsony ny hilaza hoe:
«Ny fiaran’ny faneken’i Iaveh!»
tsy ho mby ao an-tsaina akory izany,
tsy hisy hahatsiaro na ho manina an’izany intsony,
na hanao anankiray hafa indray.
17Amin’izany andro izany i Jerosalema hantsoina hoe:
«ny seza fiandrianan’i Iaveh!»
Ary ny firenena rehetra hivory
ao Jerosalema,
amin’ny Anaran’i Iaveh,
fa tsy hanaraka
ny ditran’ny fony ratsy intsony izy.
18Amin’izany andro izany, hiara-mandeha
ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Israely,
ka hiara-tonga avy any amin’ny tany avaratra,
ho ao amin’ny tany nomeko ho lovan’ny razanareo.
Tohin’ny tononkalo momba ny fivavahana19Ary izaho nanao hoe:
Ahoana no hametrahako anao, eo amin’ireo zanako,
sy homeko tanim-pahafinaretana ianao,
dia izay soa indrindra eo amin’ny firenena mba ho lovanao?
ary hoy Aho: «Hiantso ahy hoe Raiko, ianao,»
sady tsy hitsahatra ny hanaraka Ahy.
20Kanefa kosa, toy ny ivadihan’ny vehivavy amin’ny sakaizany
no niodinanareo tamiko,
ry taranak’i Israely, - teny marin’i Iaveh. -
21Misy feo mihahohaho any amin’ny fitoerana avo,
dia fitomanian’ny zanak’i Israely mifona;
fa nanimba ny lalany izy ireo,
nanadino an’i Iaveh Andriamaniny. -
22Miverena, ry zaza mpiodina,
fa hositraniko ny fiodinanareo. -
Indreto izahay manatona Anao,
fa Ianao no Iaveh Andriamanitray.
23Eny, zava-poana teny amin’ny havoana
teny an-tendrombohitra ny horakoraka
mankalaza ny sampy.
Fa amin’i Iaveh Andriamanitsika ihany
no misy ny famonjena an’i Israely.
24Efa levon’ny fahavetavetan’ny sampy ny fahatanorantsika,
ny vokatry ny fisasaran’ny razantsika,
ny ondry aman’ombiny,
ny zanany lahy aman-janany vavy.
25Aoka isika handry eo amin’ny fahafaham-barakantsika,
sy horakofan’ny henatra isika;
fa samy efa nanota tamin’i Iaveh Andriamanitsika,
na isika na ny razantsika,
hatramin’ny fahatanorantsika ka mandrak’androany;
sady tsy nihaino
ny feon’i Iaveh Andriamanitsika.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.