1Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2«Ny zanak’i Israely dia samy hitoby eo akaikin’ny fanevany, sy ho eo am-pototry ny sainan’ny fokom-pianakaviany avy. Manandrify sy manodidina ny trano lay fihaonana no hitobian’izy ireo.»
3Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,
4ary 74.600 ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa.
5Ny fokon’i Isakara no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Isakara dia i Natanaely zanak’i Soara,
6ary 54.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
7Manaraka izany dia ny fokon’i Zabolôna. Ny filohan’ny taranak’i Zabolôna dia i Eliaba zanak’i Helona,
8ary 57.400 ny antoko-miaramilany araka ny lehilahy voaisa.
9Araka ny lehilahy voaisa dia 186.400 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Jodà, araka ny antokony avy. Ireo no ho lohalalana rehefa hiainga.
10Ny fanevan’ny tobin-dRobena no ho eo amin’ny lafiny atsimo mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny tarana-dRobena dia i Elizora zanak’i Sedeora.
11Ary 46.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
12Ny fokon’i Simeôna no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Simeôna, dia i Salamiela zanak’i Sorisadaia;
13ary 59.300 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
14Manaraka izany dia ny fokon’i Gada. Ny filohan’ny taranak’i Gada dia i Eliazafa zanak’i Doela,
15ary 45.650 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
16Ka dia 151.450 no totalin’ny eo amin’ny tobin-dRobena, araka ny lehilahy voaisa manaraka ny antokony avy. Ireo no ho laharana faharoa eny an-dalana.
17Izay vao handroso ny trano lay fihaonana, ny antokon’ny Levita eo afovoan’ny toby rehetra. Ary araka ny filaharany eo an-dasy ihany no ho fandehany eny an-dalana koa, samy eo an-daharany manaraka ny fanevany avy.
18Ny fanevan’i Efraima no ho eo andrefana, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Efraima, dia Elisamà zanak’i Amioda:
19ary 40.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
20Ny fokon’i Manase no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela zanak’i Fadasora,
21ary 32.200 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
22Manaraka izany, dia ny fokon’i Benjamina. Ny filohan’ny taranak’i Benjamina dia i Abidàna zanak’i Jedeôna,
23ary 35.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
24Ka dia 18.100 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Efraima, araka ny lehilahy voaisa, manaraka ny antokony avy. Ireo no laharana fahatelo eny an-dalana.
25Ny fanevan’ny tobin’i Dana no ho eo avaratra, mbamin’ny antokony. Ny filohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiesera zanak’i Amisadaìa;
26ary 62.700 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
27Ny fokon’i Asera no hitoby eo anilany. Ny filohan’ny taranak’i Asera dia i Fegiela zanak’i Okrana,
28ary 41.500 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
29Manaraka izany dia ny fokon’i Neftalì. Ny filohan’ny taranak’i Neftalì dia i Ahira zanak’i Enàna,
30ary 53.400 ny antoko-miaramilany, araka ny lehilahy voaisa.
31Ka dia 157.600 no totalin’ny eo amin’ny tobin’i Dana, araka ny lehilahy voaisa. Ireo kosa no ho vodilalana manaraka ny fanevany avy.
32Ireo no isan’ny zanak’i Israely voasoratra tamin’ny fanisana azy, araka ny fokom-pianakaviany avy. 603.550 no totalin’ny lehilahy voaisa, voatokotoko isan-tobiny araka ny antoko-miaramilany avy.
33Tsy anisan’ny voaisa niaraka tamin’ny zanak’i Israely ny Levita, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
34Notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny tokom-pianakaviany avy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.