1Samoela 7 - Malagasy Catholic Bible

1Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh.

I Samoela mpitsara sy mpanafaka

2Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israely rehetra.

3Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»

4Dia nesorin’ny taranak’i Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka i Iaveh irery ihany no notompoiny.

5Ary hoy i Samoela: «Vorio any Masfà i Israely rehetra ary hivavaka amin’i Iaveh ho anareo aho.»

6Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà.

7Ren’ny Filistinina fa nivory tany Masfà ny zanak’i Israely ka niakatra ny andrian’ny Filistinina hamely an’i Israely. Nandre izany ny zanak’i Israely ka raiki-tahotra ny Filistinina izy ireo,

8ka hoy ny zanak’i Israely tamin’i Samoela hoe: «Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny Filistinina.»

9Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh.

10Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely.

11Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin’i Israely, ka nanenjika ny Filistinina, sy namely azy hatrany ambanin’i Bety-Kara.

12Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»

13Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.

14Ka ny tanàna nalain’ny Filistinina tamin’i Israely, tafaverina amin’i Israely indray, hatrany Akarôna ka hatrany Geta; ny faritanin’izy ireo dia nalain’i Israely teo an-tanan’ny Filistinina. Ary ny Amôreana, nihavana tamin’i Israely.

15Nitsara an’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany i Samoela.

16Isan-taona dia nandeha izy nitety an’i Betela sy i Galgalà ary i Masfà ka nitsara an’i Israely tamin’ireo fitoerana rehetra ireo.

17Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help