Ohabolana 7 - Malagasy Catholic Bible

1Anaka, tano ny teniko,

tahirizo ao aminao ny didiko.

2Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao,

tandremo hoatra ny anakandriamasonao ny fampianarako.

3Afehezo ho eo ambonin’ny rantsan-tananao izy.

soraty eo amin’ny latabatry ny fonao izy.

4Ny fahendrena ilazao hoe: Anabaviko ianao.

Ary ny fahalalana antsoy hoe sakaizanao,

5mba hiarovany anao amin’ny vadin’ny namana,

sy amin’ny vehivavy an’olon-kafa manao teny mandrobo.

6Teo am-baravarankelin’ny tranoko,

nitazana teo amin’ny makarakara aho.

7Tsikaritro teo amin’ireo tsy ampy saina,

nahatsikaritra zazalahy iray kely saina,

tamin’ireo zatovo ireo, aho.

8Nandao teo an-dalambe, anilan’ny fonenan’ny vehivavy an’olon-kafa izy,

dia nandroso ho eo amin’ny tranony.

9Efa takariva izay, ilay efa somambisamby iny,

tao anatin’ny alina sy ny haizina.

10Dia indro izy nohatonim-behivavy anankiray

manao fitafian’olon-janga, manafin-kevitra am-po.

11Mihavatravatra tsy azo atao amin’ahoana,

tsy mahapetraka an-trano ny tongony;

12mbetika erỳ an-dalam-be, mbetika erỳ amin’ny kianja,

ary eny an-joron-trano rehetra eny izy no mitsikilo.

13Nosavihiny ity zazalahy, dia norohany,

ary sady nanao tarehin’ny tsy valahara izy no milaza aminy hoe:

14«Tsy maintsy nanatitra sorom-pihavanana aho,

ary nefaiko androany ny voadiko.

15Ka dia nivoaka hitsena anao aho,

mba hitady anao, ka indro, nahita tokoa.

16Ny farafarako efa nasiako rako-pandriana,

dia lamba fandrakofana folin’i Ejipta;

17Ny fandriako efa norarahako zava-manitra,

dia mira, aloesy, ary sinamôma.

18Andeha isika hivoky fitia, mandra-paharain’ny andro,

andeha isika hiarana amin’ny fahafinaretan’ny nofo.

19Fa tsy ao an-trano ny vadiko,

lasa nivahiny lavitra izy.

20Nentiny any aminy any, ny kitapom-bola.»

21Ambosiny amin’ny teny maro eo izy,

ary taominy amin’ny tenin’ny molony;

22dia rafitra nanaraka azy miaraka amin’izay izy,

tahaka ny omby entina hovonoina,

tahaka ny adala mihazakazaka ho any amin’ny gadra anasaziana azy,

23mandra-pilentiky ny zana-tsipìka amin’ny atiny;

tahaka ny vorona miantoraka amin’ny fandrika,

tsy mahalala fa mihatra amin’ny ainy izany.

24Ka ankehitriny, anaka, henoy aho,

ary henoy tsara ny teny aloaky ny vavako.

25Aoka ny fonao tsy hivily hankany amin’ny lalan’io,

aza maniasia any amin’ny sakeli-dalany.

26Fa maro no efa noratrain’izy io,

ary betsaka no voan’izy io.

27Ny tranony dia lalana mankany amin’ny Seoly,

izay midina ho any amin’ny fonenan’ny fahafatesana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help