Ezekiela 7 - Malagasy Catholic Bible

Akaiky ny farany(Jereo Am 5,18)

1Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

2Ary ianao, ry zanak’olona, izao no lazain’i Iaveh Tompo, amin’ny tanin’i Israely:

Ny fiafarana! Tamy ny farany

amin’ny vazantany efatra!

3Ankehitriny tamy aminao ny farany;

efa hampanarana ny hatezerako hamely anao Aho;

hitsara anao araka ny asanao;

hampitambesatra ny fahavetavetanao rehetra aminao.

4Ny masoko tsy hiantra anao, ary tsy hamindra fo Aho,

fa hatambesatro aminao ny asanao;

ary ho eo afovoanao ny fahavetavetanao;

dia ho fantatrao fa Iaveh, Aho.

5Izao no lazain’i Iaveh Tompo:

Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!

6Injay tamy ny farany! Tonga ny farany!

Mifoha hamely anao izy; injay izy tamy!

7Tamy ny anjaranao, ry mponina amin’ny tany;

tonga ny fotoana, akaiky ny andro!

Fitabatabana!... fa tsy hobim-pifaliana eny an-tendrombohitra.

8Ankehitriny Aho tsy ho ela intsony, dia hanampatra

ny hatezerako aminareo;

hanala fo ny fahavinirako aminao;

hitsara anao araka ny asanao aho,

ary hampitambesatra aminao,

ny fahavetavetanao rehetra.

9Ny masoko tsy hiantra anao,

ary tsy hamindra fo Aho,

hitambesatra aminao ny asanao;

ho eo afovoanao ny fahavetavetanao.

Dia ho fantatrareo fa Izaho Iaveh no mamely!

10Indro ny andro, tamy izy; tonga ny anjaranao;

mamòny ny tsora-kazo; mivelatra ny avonavona;

11mitsangana ny fanaovana an-keriny,

mba ho tsora-kazo hamelezana ny fanoherana ny fivavahana.

Tsy hisy aminy ho voavela, na amin’ny hamaroany,

na amin’ny fihahohahoany,

tsy ho maresaka intsony.

12Tonga ny fotoana, antomotra ny andro!

Ny mpividy, aoka tsy hifaly;

ary ny mpivarotra, aoka tsy halahelo,

fa efa hipoahan’ny fahatezerana avokoa ny ankamaroany.

13Ny mpivarotra tsy ho tonga tompon’

izay efa lafony indray,

na mbola ho isan’ny velona aza izy;

fa ny fahitana an’izay hanjò ny ankamaroany rehetra,

tsy mba ho foanana,

ary tsy misy maharo ny ainy, na iray aza, amin’ny helony.

14Velona ny trômpetra,

ary vonona ny zavatra rehetra;

nefa tsy misy mandroso hiady ny olona,

satria iharan’ny hatezerako avokoa ny ankamaroany.

Ireo fahotan’i Israely indray

15Ny sabatra, eny ivelany;

ny pesta sy mosary, ao anatiny;

ary ny eo an-tanàna, ho levon’ny mosary sy ny pesta.

16Na misy ho afa-mandositra aza amin’izy ireo,

dia hirenireny eny an-tendrombohitra,

toa voromahailala an-dohasaha,

samy hitoloko noho ny helony avokoa.

17Samy miraviravy tanana daholo,

ary samy mitsonika ny lohalika rehetra ho rano.

18Lasàka no hitafiany; horohoro no manarona azy;

henatra no ho amin’ny tava rehetra,

ary mibory ny loha rehetra.

19Hariana eny an-dalambe ny volafotsiny,

hataony hoatra ny zezika ny volamenany;

tsy misy hahavonjy azy ny volafotsiny amam-bolamenany,

amin’ny andron’ny fahatezeran’i Iaveh;

tsy hamoky ny fanahiny amin’izany, izy,

na hameno ny kibony amin’izany akory,

fa izany indrindra no nahalavo azy tamin’ny faharatsiana.

20Ireo firavany izay nihaingoany, dia nataony reharehany;

namoronany ny fahavetavetany, dia ny sampiny.

Koa dia hovako ho zezika daholo izany rehetra izany;

21ary hatolotro ho babo eny an-tanan’ny hafa firenena,

ho rembin’ny tsy tia fivavahana amin’ny tany; - ka holotoiny.

22Haviliko tsy hijery azy ny tavako

ka holotoin’olona ny rakitro,

fa hidiran’ny olona mpanao an-keriny, ka holotoiny.

23Omany ny gadra; fa feno heloka ny tany;

ary feno fanaovana an-keriny, ny tanàna.

24Hasaiko avy ny ratsy fanahy indrindra amin’ny firenena,

haka ny tranon’izy ireo,

hampitsahatra ny avonavon’ny mahery;

ary ny fitoerany masina dia ho voaloto.

25Mby akaiky ny fandravana;

hitady fiadanana izy ireo, fa tsy hisy izany.

26Ho avy ny loza tsindrian-doza,

sy filazana vaovao tsindriam-pilazana;

ka hitady fahitana amin’ny mpaminany izy ireo;

ary tsy ho eo amin’ny mpisorona ny lalàna,

na ny torohevitra eo amin’ny loholona.

27Ny mpanjaka, ho rafitra misaona;

ny mpifehy, hitafy falahelovana;

ary ny tanànan’ny vahoakan’ny tany hangovitra;

fa hasiako araka ny asany izy;

ary hotsaraiko araka ny tandrify azy,

dia ho fantany fa Iaveh Aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help