Izaia 3 - Malagasy Catholic Bible

Korontana ao Jerosalema

1Fa indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika,

hanesotra amin’i Jerosalema sy i Jodà,

ny vonjy aman-tohana rehetra,

2ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano,

ny mahery fo mbamin’ny lehilahy mpiady,

ny mpitsara, ny mpaminany ama-mpimasy, ny loholona,

3ny kapiteny aman’olom-boalohandohany, mbamin’ny mpanolo-tsaina,

ny mpanao taozavatra kinga amin’ny raharahany

ama-mpanao fankatoavana famantsy lahy;

4«dia zatovolahy no apetrako ho lehiben’izy ireo,

ary ankizy no hanapaka azy.»

5Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin’ny lehilahy

ary ny olona samy amin’ny mifanakaiky aminy;

hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin’ny anti-panahy;

ary ny olom-poana amin’ny olo-manan-daza indrindra.

6Nony halain’ny rahalahiny ny olona anankiray,

ao an-tranon-drainy ilazany hoe:

«Manan-damba ianao, ka aoka ho lehibenay,

ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao!»

7Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe:

«Tsy te-ho mpanasitrana aho,

fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory,

ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.»

8Satria mangozohozo i Jerosalema ary mirodana i Jodà,

noho ny teny aman’asan’izy ireo manohitra an’i Iaveh,

mba hihaika ny fijerin’ny fiandrianany.

9Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo;

mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy,

fa tsy miery amin’izany akory.

Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.

10Lazao amin’ny marina fa sambatra izy,

satria hihinana ny vokatry ny asany.

11Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy,

fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.

12Zaza no mampahory ny vahoakako,

ary vehivavy no manapaka azy.

Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao,

ary mandrava ny lalana tsy maintsy alehanao izy ireo.

13Nitsangana i Iaveh hamoaka ny fitsarana,

ary nijoro hitsara ny vahoaka Izy.

14Mifandahatra amin’ny loholona eo amin’ny fitsarana

i Iaveh,

sy amin’ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe:

«Niraotra ny voaloboka ianareo;

ny fananan’ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo.

15Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako,

sy anorotoroanareo ny tavan’ny ory?»

Teny ton’ny Tompo Iavehn’ny tafika, izany.

Antso ho an’ny vehivavy

16Efa niteny i Iaveh nanao hoe:

«Noho ireo zanaka vavin’i Siôna tonga mpiavonavona,

mandeha misolanandrana,

mianjonanjom-pijery, malako famindra,

ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehitongony,

17dia hataon’ny Tompo sola ny tampon-dohan’ny zanaka vavin’i Siôna,

ary asehon’i Iaveh ny fitanjahany.

18Amin’izany andro izany, hoesorin’ny Tompo ny ravaky ny masom-bola,

ny masoandro sy ny volantsinana,

19ny kavina, ny fehi-tanana ny voaly,

20ny fehiloha, fehitongotra amam-pehikibo,

21ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana,

ny peratra aman-kavin’orona

22ny akanjo fitondra amin’ny fety sy ny akanjo vity malalaka,

ny kapaoty amam-pôketra;

23ny fitaratra aman’akanjo moselinina,

ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana.

24Ka ny zava-manitra hosoloana lo;

ny fehikibo hosoloana mahazaka;

ny volo mivona, hosoloana loha sola;

ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasàka;

ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin’ny afo.

Ireo vehivavy maty vadin’i Jerosalema

25Ny mpiadinao halavon-tsabatra,

ary ny maherinao ho faty an’ady.

26Hitomany sy hisaona ny vavahadin’i Siôna,

ary efa ory izy, dia hipetraka amin’ny vovoka.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help