Apôkalipsa nosoratan’i Md Joany 12 - Malagasy Catholic Bible

Fahitana an’ilay Vehivavy sy ny Dragona

1Nony inona, nisy famantarana lehibe niseho teny an-danitra, dia Vehivavy anankiray nitafy masoandro, ny volana no teo an-tongony, kintana roa ambin’ny folo no satroboninahitra teny an-dohany.

2bevohoka izy, sady nihetsi-jaza, ka nitaraina noho ny fanaintainam-piterahana.

3Ary nisy famantarana hafa koa niseho teny an-danitra, dia Dragona mena lehibe anankiray nitranga tampoka, fito ny lohany, folo ny tandrony, ary satroboninahitra fito no teny an-dohany.

4Nofinaokany tamin’ny rambony ny ampahatelon’ny kintan’ny lanitra ka nazerany tamin’ny tany. Dia nijoro teo anoloan-dRavehivavy hiteraka izy mba handrapaka ny Zanany, raha vao teraka.

5Tera-dahy Ravehivavy, ary io Zanany io no hifehy ny firenena rehetra amin’ny tsora-by, ka nakarina ho any amin’Andriamanitra eo anilan’ny seza fiandrianany.

6Fa Ravehivavy kosa nandositra nankany an’efitra, fa any no nanamboaran’Andriamanitra toerana ho azy, mba hamelomana azy mandritra ny enimpolo amby roan-jato sy arivo andro.

7Ary nisy ady tany an-danitra: i Misely sy ny Anjeliny moa niady tamin’ny Dragona; ny Dragona sy ny anjeliny koa namely,

8fa tsy nahomby, sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;

9ka nazera ity Dragona lehibe, dia ilay menarana antitra atao hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; ny tenany moa nazera tamin’ny tany, ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.

10Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe: «Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana; an’i Kristiny koa ny fahefana; efa voazera ilay mpiampanga ny namantsîka, dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’ny Andriamanitsika.

11Nandresy azy ireo koa ny namantsîka noho ny Ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany ary ny tsy fitandroany ny ainy, na dia ho faty aza Izy.

12Koa mifalia, ry lanitra, mbaminareo monina ao aminy. Fa hahita loza kosa ianareo, ry tany aman-dranomasina, fa navarina any aminareo ny devoly, misafoaky ny hatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.»

13Nony hitan’ilay Dragona fa voazera amin’ny tany izy, dia ilay Vehivavy tera-dahy no nenjehiny.

14Nomena ela-boromahery lehibe roa anefa Ravehivavy, mba hanidinany ho any an’efitra amin’ny fitoerany, izay namelomana azy fotoana iray, sy fotoana roa, ary antsasaky ny fotoana, mba tsy hahitan’ilay menarana azy.

15Dia nandefa rano toy ny ony avy amin’ny vavany ilay menarana, hankany amin-dRavehivavy, mba hipaohan’ny ony azy.

16Kanjo novonjen’ny tany kosa Ravehivavy, fa nivava ny tany, dia nitelina ny ony nalefan’ilay Dragona tamin’ny vavany.

17Tezitra tamin-dRavehivavy ny Dragona, ka any amin’ny zanany sisa mitandrina ny didin’Andriamanitra sy maharitra amin’ny fanambaràn’i Jesoa, no nifotrohany niadiana.

Ny Dragona mamindra ny fahefany amin’ilay Biby

18Dia teny amin’ny fasi-dranomasina izy no nitsatoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help