1Avy teo amin’ireo nosin-dranomasina no nandefasan’i Antiôkosy zanak’i Demetriosa taratasy ho an’i Simôna mpisorona sy lehiben’ny Jody sy ho an’ny firenena rehetra.
2Toy izao no voasoratra ao: «Ny mpanjaka Antiôkosy manoratra ho an’i Simôna mpisorona lehibe sy mpifehy faritany, ary ho an’ny firenena Jody: Arahaba!
3Noho ny nahazoan’ireo olon-dratsy ny fanjakan’ny razanay, dia tiako ny haka azy indray, hampodiako azy amin’ny toetrany taloha, ka efa namory miaramila maro sy nanomana sambo mpiady betsaka aho;
4ary nikasa hiakatra any amin’ny tany aho izao, hamaly ny ratsy nataon’ireny, izay nandringana ny tany sy nandrava ny tanàna maro be tao amin’ity fanjakana ity.
5Ankatoaviko avokoa ny fanafahana amin’ny hetra nomen’ireo mpanjaka talohako anao, mbamin’ny fanafahana hafa rehetra nomeny anao koa.
6Omeko alalana ianao hanefy vola misy ny sarinao ho an’ny taninao.
7Aoka hahazaka tena i Jerosalema sy ny tempoly; apetraka ho anao avokoa ny fiadiana nataonao, mbamin’ny trano mimanda naorinao sy tananao.
8Apetraka ho anao koa ny zavatra rehetra tsy maintsy naloa na mbola haloa amin’ny rakitry ny mpanjaka, hatramin’izao sy mandrakizay.
9Rehefa tafiditra avy nahazo ny fanjakanay indray izahay, dia homenay voninahitra lehibe ianao sy ny firenenao ary ny fitoerana masina, ka hamirapiratra eran’izao tontolo izao ny voninahitrareo amin’izany.»
10Tamin’ny taona faha-174 dia niroso ho any amin’ny tanindrazany i Antiôkosy, ary tonga nilahatra homba azy avokoa ny miaramila, hany ka lehilahy vitsivitsy sisa tafajanona teo amin’i Trifôna.
11Nanomboka nanenjika azy i Antiôkosy mpanjaka, ka any Dôrà, amoron-dranomasina, i Trifôna no niezaka nandositra;
12satria hitany fa ratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny koa nandao azy.
13Tonga nitoby teo anoloan’i Dôrà i Antiôkosy nitondra mpiantafika 120.000, sy an-tsoavaly 8.000.
14Notemerany ny tanàna, fa nanatona avy etsy an-daniny teo amin’ny ranomasina koa ny sambo, ka voateriny izy na an-tanety na an-dranomasina, tsy nisy olona navelany hiditra na hivoaka.
Niverina tany Jodea ireo iraka tany Rôma. Nambara ny fanekem-pihavanana tamin’ny Rômanina15Tamin’izany no tonga avy any an-tanànan’i Rôma i Nomeniôsa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an’ny mpanjaka sy ny faritany rehetra, ka izao no teny tao aminy:
16«I Losiosa konsilin’ny Rômanina manoratra ho an’i Ptôlemea mpanjaka: Arahaba!
17Tonga tatỳ aminay, araka ny maha havana azy sy mpikambana aminay, ny ambasadaoron’ny Jody nirahin’i Simôna mpisorona lehibe mbamin’ny vahoaka Jody, hanavao ny fanekena amam-pihavanana natao taloha.
18Nitondra ampinga volamena lanjan’arivo mina izy ireo.
19Noho izany, sitrakay ny manoratra ho an’ny mpanjaka sy ny firenena, mba tsy hanao izay hamohehatra azy, na hiady amin’izy ireo, na amin’ny tanànany, na amin’ny fireneny, na hanampy an’izay miady aminy.
20Sitrakay ny nandray izany ampinga izany tamin’izy ireo.
21Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana tany amin’izy ireo, tonga atỳ aminareo, dia atolory an’i Simôna mpisorona lehibe izy, hofaizany araka ny lalàny.»
22Izany taratasy izany dia nalefany koa ho an’i Demetriosa mpanjaka, i Atala, i Ariarata, i Arsasa,
23ary koa amin’ny faritany rehetra: Lampsàka, ny Sparsiata, Delôsa, Minda, Sisiôna, Karia, Samôsa, Panfilia, Lisia, Halikarnasa, Rôda, Faselisa, Kaosa, Sida, Aradôsy, Gôrtìna, Knida, Sipra, ary Sirena.
24Nokôpiazin’izy ireo izany taratasy izany, ho an’i Simôna mpisorona lehibe.
Nanao fahirano an’i Dôrà i Antiôkosy faha-7 sy nitsipaka an’i Simôna ary naniraka olona hiteny azy25Tamin’ny andro faharoa, dia nasian’i Antiôkosy mpanjaka i Dôrà; narosony, narosony ihany ny miaramilany hanakaiky azy, sady nanorina milina izy, ka voahidiny tao i Trifôna, tsy nisy afa-niditra na nivoaka.
26Tamin’izay i Simôna nandefa fanampiana ho any aminy, dia miaramila 2.000 voafantina mbamin’ny volafotsy sy volamena ary fiasana be ihany.
27Tsy nety nandray izany ny mpanjaka, fa notsipahiny ny fanekena rehetra nataony taloha tamin’i Simôna, dia nihatahany izy.
28I Atenôbiosa, iray amin’ireo sakaizany, no nirahiny hiresaka aminy sy hilaza aminy hoe: «Ianareo efa mitàna an’i Jôpe, i Gazàra, ny trano mimandan’i Jerosalema tanànan’ny fanjakako;
29nandrava ny manodidina azy ka nanimba zavatra be teo amin’ny tany, ary nahalasa toerana betsaka anisan’ny fanjakako.
30Koa ankehitriny, atolory ny tanàna nalainareo sy ny hetran’ny tany lasanareo, ivelan’ny faritanin’i Jodea,
31na manomeza ianareo talenta volafotsy 500, ho solon’izany, sy talenta 500 hafa koa, noho ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin’ireo tanàna ireo; fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay.»
32Nony tonga tao Jerosalema i Atenôbiosa sakaizan’ny mpanjaka, ka nahita ity firentirentin’i Simôna, izato latabatra rakotry ny kapoaka volamena sy volafotsy mbamin’ity voninahitra be nisehoany, dia nitolagaga erỳ, ka ny tenin’andriana no naveriny nolazaina.
33Fa hoy i Simôna taminy: «Tsy naka tanin’olona hafa izahay, na nahalasa zavatr’olona. fa ny lovan-drazanay izay notanan’ny fahavalonay tsy an-drariny, nandritra ny fotoana vitsivitsy ihany.
34Ka nony nahita fotoana tsara hohararaotina izahay, dia nanaraka ny lovan-drazanay.
35Ary raha ny amin’i Jôpe sy i Gazàra izay takìnao dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo; nefa hanome talenta zato ihany izahay noho ny amin’ireo.» Tsy namaly i Atenôbiosa na indraimbava aza,
36fa lasa izy niverina an-katezerana ho any amin’ny mpanjaka, nilaza taminy ny valy nataon’i Simôna, ny hakanton’ny ao an-dapany, mbamin’izay rehetra hitany, ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.
I Sendebe governoran’ny Morontsiraka, mamely an’i Jodea37Ary i Trifôna kosa nandositra an-tsambo ho any Ortôsiasa.
38Ka dia i Sendebe no notendren’ny mpanjaka ho komandy teo amin’ny moron-dranomasina sady nomeny foloalindahy an-tongotra sy an-tsoavaly.
39Ary nandidy azy izy hiorin-toby tandrifin’i Jodea, hanamafy an’i Gedôra, hanamafy ny vavahadin’io, ary hiady amin’ny vahoaka. Ny mpanjaka kosa tamin’izany, nanenjika an’i Trifôna.
40Dia nankany Jamnià i Sendebe ka nanomboka nanorisory ny vahoaka, nananika an’i Jodea, nanao sambo-belona, ary nanao vonoana olona.
41Nohamafisiny i Gedôra, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, hivoaka hanafika sy hampidi-doza eny an-dalamben’i Jodea araka ny nandidian’ny mpanjaka azy.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.