1Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jerôbôama no vao nanjaka tamin’i Jodà i Abià, ary telo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2Ny anaran-dreniny dia Mikaià, zanaka vavin’i Oriela, avy any Gabaà.
Niady i Abià sy i Jerôbôama.
3Ka i Abià no nanomboka ny ady, nitondra miaramila mpiady mahery, lehilahy voafantina, 400.000; fa lehilahy voafantina 800.000, mpiady mahery, kosa no nalahatr’i Jerôbôama hiady aminy.
Ny lahatenin’i Abià4Nitsangana teo an-tampon-tendrombohitra Semeròna, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Abià ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry Jerôbôama sy i Israely rehetra!
5Tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ho an’i Davida mandrakizay, ny fanjakana amin’i Israely, dia ho azy sy ny taranany, amin’ny fanekena tsy azo dikaina?
6Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.
7Olona tsinontsinona, zanak’i Beliala, no niangona teo aminy, sy naharesy an-dRôbôama zanak’i Salômôna. Ary mbola tanora sy sarotsaro-tahotra i Rôbôama fahizay, ka tsy nahatohitra azy ireo.
8Ary ianareo ankehitriny mba matoky hahery eo anatrehan’ny fanjakan’i Iaveh izay eo an-tanan’ny taranak’i Davida; sady vahoaka maro be ianareo, ary miaraka aminareo ny zanak’omby volamena nataon’i Jerôbôama ho andriamanitrareo.
9Tsy efa narianareo va ny mpisoron’i Israely, dia ny taranak’i Aarôna sy ny Levita, ary moa tsy nananga-mpisorona ho anareo va ianareo, toy ny firenen’ny tany? Na iza na iza tonga nitondra vantotr’ombalahy iray sy ondralahy fito mba hampanamasina ny tenany dia tonga mpisoron’izay tsy Andriamanitra.
10Fa ny anay kosa: I Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy Azy izahay, ny taranak’i Aarôna no mpisorona manao fanompoana ho an’i Iaveh, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany.
11Ka izy ireo, dia mandoro sorona dorana hanetona amin’i Iaveh isan’andro marain-tsy hariva ary zava-manitra tsara fofona koa: ataony eo ambonin’ny latabatra madio ny mofo alahatra; ary ny fanaovan-jiro volamena mbamin’ny lalampiny dia ampirehetiny isan-kariva; satria tandremanay ny didin’i Iaveh Andriamanitray, fa ianareo kosa nandao Azy.
12Indro fa miaraka aminay, mitarika anay, Andriamanitra sy ny mpisorony, mbamin’ny trômpetra avo feo izay hotsofina hamelezana anareo. Koa aza miady amin’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo, ry zanak’i Israely, fa tsy hahomby anie ianareo!»
Ny ady13Nasain’i Jerôbôama nandeha nisafelika ireo nanao otrika mba handrosoany avy any aoriana hamely ny fahavalony, ka ny antokony notarihiny moa, teo anoloan’i Jodà, ny otrika teo ivohony.
14Niherika i Jodà ka indro fa nisy mpamely teo anoloany sy teo ivohony. Nitaraina tamin’i Iaveh izy, ary nitsoka trômpetra ny mpisorona.
15Nanao akora lava fikatrohana ny lehilahy amin’i Jodà ary dieny nanao akora fikatrohana ny lehilahin’i Jodà, i Iaveh kosa namely an’i Jerôbôama sy i Israely rehetra teo anoloan’i Abià sy i Jodà.
16Dia nandositra teo anoloan’i Jodà ny zanak’i Israely ary natolotr’Andriamanitra ho eo an-tanany.
17Ka nataon’i Abià sy ny vahoakany lambam-bary, ka nisy lehilahy voafantina 500.000 no maty niampatrampatra tamin’i Israely.
18Naetry ny zanak’i Israely tamin’izany andro izany, fa nihamahery kosa ny taranak’i Jodà, satria niankina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy.
Ny niafaran’ny fanjakan’i Jerôbôama19Notanahin’i Abià i Jerôbôama, ka nahazoany ireto tanàna ireto: i Betela sy ny tanàna momba azy, i Jesàna sy ny tanàna momba azy, i Efrôna sy ny tanàna momba azy.
20Tsy nahazo hery intsony i Jerôbôama tamin’ny andron’i Abià, fa nokapohin’i Iaveh izy ka maty.
21I Abià kosa nitombo hery, nanam-bady 14 izy, ary niteraka lahy 22 sy vavy 16.
(Jereo 1Mpa 15,7-8)22Ny sisa tamin’ny asan’i Abià mbamin’ny nataony sy ny teniny, dia efa voasoratra ao amin’ny boky Fitadidian’i Adô mpaminany.
23Ary nody mandry any amin’ny razany i Abià ka nalevina tao an-tanànan’i Davida. I Asà zanany no nanjaka nandimby azy.
3. I ASA SY NY FANITSIANY NY FOMBAM-PIVAVAHANAFandriam-pahalemana tamin’ny andron’i Asà(Jereo 1Mpa 15,11-12)Nandry folo taona ny tany tamin’ny androny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.