Salamo 105 - Malagasy Catholic Bible

SALAMO 105 (Volgata 104)Tantara mahagagan’i Israely

1Mankalazà an’i Iaveh, miantsoa ny Anarany;

ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.

2Mihirà ho Azy, mankalazà Azy!

Torio ny fahagagana rehetra ataony.

3Mireharehà amin’ny Anarany masina;

hiravoravo anie ny fon’izay mitady an’i Iaveh.

4Mitadiava an’i Iaveh sy ny heriny,

aza mitsahatra mitady ny Tavany.

5Tsarovy ny asa mahagaga nataony,

ny fahagagana amam-pitsarana navoaky ny vavany,

6ry taranak’i Abrahama mpanompony,

tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.

7Izy Iaveh Andriamanitsika;

mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.

8Tsaroany mandrakizay ny fanekeny,

ilay teny nolazainy marimarina ho an’ny taranaka mandimby;

9Fanekena nataony tamin’i Abrahama;

ary fianianana nataony tamin’i Isaaka.

10Naoriny ho lalàna izany, tamin’i Jakôba,

ary ho fanekena mandrakizay tamin’i Israely,

11nataony hoe: «Homeko anao ny tany Kanaana,

ho anjara lovanao.»

12Mbola olom-bitsy izy fahizany,

sady vitsy no vahiny teo amin’ny tany;

13ka nifindrafindra tany tamin’ny firenena;

niala tamin’ny fanjakana iray ho amin’ny firenen-kafa.

14Tsy nisy navelany hampahory azy;

ary izy ireo no namaizany mpanjaka:

15Aza mikasika an’ireo voahosotro,

ary aza manisy ratsy an’ireo mpaminaniko.

16Niantso mosary hamely ny tany Izy,

notapahiny ny haniny izay tohan’ainy.

17Naniraka olona hialona azy ireo Izy:

i Josefa namidy ho andevo.

18Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,

nogadrana vy izy,

19mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,

izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.

20Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka:

nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.

21Dia natsangany ho tompon’ny tranony,

sy ho mpanapaka ny taniny rehetra,

22mba hifehy ireo andriandahy araka izay sitraky ny fony,

sy hampianatra fahendrena an’ireo loholony.

23Izay vao nankany Ejipta i Israely,

ka nitoetra teo amin’ny tanin’i Kama i Jakôba.

24Nohamaroin’Andriamanitra fatratra ny vahoakany,

ary nataony mahery noho ireo mpampahory azy.

25Novany ny fon’ireo, ka tonga nankahala ny vahoakany,

sy nanao famadihana an’ireo mpanompony.

26Dia nirahiny i Môizy mpanompony,

sy i Aarôna olom-boafidiny.

27Ary ireo nanao ny famantaran’Andriamanitra teo amin’izy ireo,

nanao fahagagana teo amin’ny tanin’i Kama.

28Nandefa haizina Izy, ka nampanjariany alina ny andro,

fa tsy nandà ny teniny ireny.

29Nanova ny ranony ho ra Izy,

ka nahafaty ny hazandranon’izy ireo.

30Nisy sahona nihahohaho teo amin’ny taniny,

hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjakany.

31Niteny izy ka lalitra zavon-tany no tonga,

dia moka nanerana ny faritaniny.

32Norotsahany havandra ho solon’ny ranonorana izy ireo;

sy afo nidedadeda teo amin’ny taniny.

33Namono ny voalobony aman’aviaviny izy,

ary nanapatapaka ny hazo teo amin’ny taniny.

34Niteny Izy dia tonga ny valala,

ka valala tsy hita isa.

35Ka nohanin’ireny avokoa ny ahitra teo amin’ny taniny,

nolevonin’ireny ny vokatry ny sahany.

36Namono ny lahy matoa rehetra teo amin’ny taniny Izy,

dia ny voalohan’ainy rehetra.

37Dia nentiny nivoaka ny vahoakany nitondra volafotsy sy volamena,

ary tsy nisy nangozohozo tamin’ireo fokony, na dia iray aza.

38Nifaly tamin’ny nahalasanany ny Ejiptianina,

satria nahazo an’ireo ny fahatahorana an’i Israely.

39Namelatra rahona hanalokaloka azy Izy,

ary afo hanazava azy amin’ny alina.

40Nangataka izy ireo dia nandefasany papelika,

ary mofo avy any an-danitra no namokisany azy,

41Nanokatra ny vatolampy izy, dia niboiboika ny rano,

ka nandriaka sahala amin’ny ony tany an’efitra.

42Fa tsaroany ny teny masina,

sy i Abrahama mpanompony.

43Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany;

ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.

44Nomeny azy ireo ny tanin’ny firenena,

ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan’ny firenena izy ireo.

45Raha tahiny nitandrina ny didiny anefa izy ireo:

sy nitana ny lalàny.

Aleloia!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help