Mikea 3 - Malagasy Catholic Bible

Teny mamely ireo mpitondra mamoritra vahoaka

1Hoy aho: Mihainoa ianareo, ry loholon’i Jakôba,

mbaminareo mpanapaka ny taranak’i Israely!

Tsy anjaranareo va ny mahalala ny rariny,

2dia ianareo izay mankahala ny tsara sy tia ny ratsy,

manendaka ny hoditra amin’ny vatana,

sy ny nofo amin’ny taolana?

3Izy ireo no mihinana ny nofon’ny vahoakako;

manendaka ny hoditra eo amin’ny vatany,

mamakivaky ny taolany,

mamotipotika azy toy ny ao am-bilany,

ary toy ny hena ao am-bilany lehibe.

4Hitaraina amin’i Iaveh izy ireo amin’izany,

nefa tsy hohenoiny;

hafeniny amin’izy ireo ny Tavany amin’izany andro izany,

araka ny haratsiana nanaovany ny asany.

Teny mamely ireo mpaminany sandoka

5Izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ireo mpaminany

izay nampaniasia ny vahoakako;

izy ireo raha mbola manan-kokaikerina ny nifiny,

mitory ny fihavanana;

izay rehetra tsy manisy hanina eo am-bavany kosa

dia ilazany avokoa fa hiady:

6Koa alina no ho azonareo ho solon’ny fahitana;

ary haizina ho solon’ny faminaniana;

ny masoandro hilentika amin’ny mpaminany

ary ny andro ho maizina amin’izy ireo.

7Hangaihay ny mpahita,

ary ho mena azon’ny henatra ny mpanao fankatoavana;

hisarom-bolom-bavany izy rehetra,

fa tsy hisy intsony ny valy avy amin’Andriamanitra.

8Fa izaho kosa feno hery,

omban’ny Fanahin’i Iaveh,

ary feno rariny aman-kerim-po,

hanambara amin’i Jakôba ny helony;

sy amin’i Israely ny fahotany.

Fanambaràna amin’ireo lehibe ny haharavàn’i Jerosalema

9Koa henoinareo izao, ry loholon’ny taranak’i Jakôba,

sy mpanapaka ny taranak’i Israely,

izay mankahala ny rariny,

sy mamadika ny hitsiny,

10manangana an’i Siôna amin’ny fandatsahan-dra,

sy i Jerosalema amin’ny faharatsiana!

11Ny mpifehy ao aminy, mitsara noho ny kolikoly,

ary ny mpisorona, mampianatra noho ny karama,

ary ny mpaminany, maminany noho ny vola,

ary miankina amin’i Iaveh izy manao hoe:

Moa tsy eto amintsika va i Iaveh?

Tsy mety hanjò antsika ny loza!

12Koa noho ny aminareo,

i Siôna hanjary saha asaina,

i Jerosalema ho tonga antontam-bato,

ary ny tendrombohitra misy ny Tempoly ho fitoerana avo misy hazo!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help