1Ary i Môizy niandry ny biby fiompin’i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiàna. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin’ny tendrombohitr’Andriamanitra, tany Horeba, izy.
2Ny Anjelin’i Iavehniseho taminy, amin’ny endriky ny lelafo, teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo. Hitan’i Môizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo.
3Ka hoy i Môizy: «Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo.»
4Hitan’i Iaveh fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan’ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: «Ry Môizy! ry Môizy!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
5Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»
6Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Ny nanirahina an’i Môizy.7Ary hoy i Iaveh hoe: «Efa hitako ny fahorian’ny vahoakako izay any Ejipta ary henoko ny fitarainany noho ny afitsok’ireo mpamoritra azy: fa fantatro ny fijaliany.
8Ka hidina aho hamonjy azy amin’ny tanan’ny Ejiptianina, hitondra azy miakatra avy amin’ity tany ity, ho any amin’ny tany mahavokatra sy malalaka, tany tondra-dronono aman-tantely, dia any amin’ny tany honenan’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina.
9Ary ankehitriny dia indro fa tafasondrotra hatrany amiko ny fitarainan’ny zanak’i Israely, ary efa hitako ny fahoriany atambesatry ny Ejiptianina amin’izy ireo.
10Koa handeha ianao amin’izao, irahiko any amin’i Faraôna, hitondranao mivoaka ny zanak’i Israely vahoakako.»
11Fa hoy i Môizy tamin’i Andriamanitra: «Inona moa aho no hankany amin’i Faraôna sy hitondra ny zanak’i Israely hivoaka avy any Ejipta?»
12Dia hoy Andriamanitra: «Homba anao Aho; ary izao no famantarana fa Izaho no naniraka anao: Rehefa tafavoakanao an’i Ejipta ny vahoaka, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.»
Ny nanambaràna ny Anaran’Andriamanitra.13Ary hoy i Môizy tamin’Andriamanitra: «Izao àry, dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atỳ aminareo. Raha manontany izay Anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?»
14Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay misy no maniraka ahy atỳ aminareo.»
15Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: «Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‹I Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atỳ aminareo.› Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby.»
Hafatrafatra amin’ny anirahana an’i Môizy.16«Mandehana, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: Niseho tamiko i Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta.
17Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay amoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Amôreana, ny Ferezeanina, ny Heveanina ary ny Jeboseanina, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.
18Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta ka hanao aminy hoe: Niseho taminay i Iaveh ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra, hanolotra sorona amin’i Iaveh Andriamanitray.
19Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery;
20nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta, amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rehefa afaka izany.»
Ny nanendahana ny Ejiptianina(Jereo 11,2-3–12,35-36; Fah 10,7)21«Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.
22Samy hangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana, amin’izay mifanolo-bodirindrina aminy sy amin’izay miray trano aminy avy, ny vehivavy, hataonareo amin’ny zanakareo lahy aman-janakareo vavy; ka dia hambabo an’i Ejipta ianareo.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.