Ezekiela 14 - Malagasy Catholic Bible

Teny mamely ny fanompoan-tsampy(Jereo Ezek 20,1-4)

1Tonga tao amiko ny loholona sasany amin’i Israely, ka nipetraka teo anoloako.

2Dia tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:

3Ry zanak’olona, ireo olona ireo dia efa nanangana ny sampin-dozany, ao am-pony, ary ny fanafintohinana mampanota azy, ataony eo anoloan’ny tavany: ka hety hanontanian’ireo va Aho?

4Noho izany, mitenena aminy ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Na zovy na zovy, amin’ny taranak’i Israely manangana ny sampin-doza ao am-pony, sy manao eo anoloan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha sendra manatona ny mpaminany izy io, dia Tenako Izaho Iaveh no hamaly azy, araka ny tandrifin’ny sampiny maro,

5mba hahavoazako ny taranak’i Israely amin’ny fony satria efa nivily niala tamiko izy mbamin’ny sampin-dozany rehetra.

6Ka lazao amin’ny taranak’i Israely hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Miverena ianareo; mialà amin’ny sampin-dozanareo; ary miambohoa tsy hanatri-tava ny fahavetavetanareo rehetra.

7Fa na zovy na zovy amin’ny taranak’i Israely, na amin’ny vahiny mitoetra eo amin’i Israely misaraka amiko manangana ny sampin-dozany ao am-pony, ary manao eo anatrehan’ny tavany ny fanafintohinana mampanota azy, raha tonga manatona ny mpaminany izy io mba hanontaniany amiko ho azy, dia ny Tenako Izaho Iaveh, no hamaly azy.

8Ka ny Tavako, hanandrina izany olona izany; izy holevoniko hataoko famantarana aman’ohabolana, hofongarako eo amin’ny vahoakako; dia ho fantatrareo fa Iaveh Aho.

9Ary raha mety ho voasodoka ny mpaminany, ka manonona teny sasantsasany, dia Izaho Iaveh no ho nanodòka an’izany mpaminany izany; ary haninjitra ny tanako aminy Aho, ary hofongorako eo amin’ny vahoakako Israely izy.

10Dia hitondra ny valin’ny haratsiany izy, - arakaraka ny haratsian’izay manontany ny haratsian’ny mpaminany koa,

11- mba tsy hivilian’ny taranak’i Israely hanalavitra Ahy intsony, sy tsy handotoany tena amin’ny fahadiasoany rehetra. Amin’izay, izy ireo dia ho vahoakako, ary Izaho dia ho Andriamaniny, - teny marin’ny Tompo Iaveh. -

Samy milanja ny fahadiasoany(Jereo Ezek 18; 33,10-20)

12Tonga tamiko ny tenin’i Iaveh nanao hoe:

13Ry zanak’olona,

Raha misy firenena manota miodina amiko

ka ahinjitro aminy ny tanako,

dia tapahiko ny tehina mofo ho azy,

sy alefako hamely azy ny mosary,

dia haringako ny olona sy ny biby,

14ary eo amin’izany tany izany dia misy ireto olona telo ireto:

i Nôe, i Daniela sy i Jôba...

dia hahavonjy ny fanahiny, amin’ny fahamarinana izy ireo;

- teny marin’ny Tompo Iaveh. -

15Raha mandefa biby masiaka amin’ny tany Aho,

ka ilaozan’ny mponina sy zary efitra

tsy halehan’ny olona na iza na iza azon’izany biby izany,

16ary raha ao amin’izany tany izany izy telo lahy ireo,

velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh, -

tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy;

ny tenan’izy ireo ihany no ho voavonjy,

fa ny tany ho lao.

17Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho,

ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...»

sady mandringana ny olona sy ny biby;

18ka eo afovoan’io tany io koa izy telo lahy ireo;

velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; -

dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo;

ny tenany ihany no ho voavonjy.

19Na raha mandefa pesta ho amin’izany tany izany Aho,

ary manidina ny hatezerako aminy, amin’ny fandatsahan-dra,

sady mandringana ny olona sy ny biby,

20ka eo afovoan’io tany io koa i Nôe sy i Daniela ary i Jôba,

velona Aho - teny marin’ny Tompo Iaveh; -

tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy ireo,

fa ny tenany ihany no hahavonjy ny fanahiny,

noho ny fahamarinany.

21Satria izao no lazain’ny Tompo Iaveh:

Na dia rehefa nalefako hamely an’i Jerosalema aza

ny fikapohana efatra mandoza:

ny sabatra, ny mosary, ny biby masiaka, ary ny pesta,

ka nandringana ny olona sy ny biby,

22dia hisy sisa ihany, ho afa-mandositra,

ka hivoaka ny tanàna, dia zanaka lahy, sy zanaka vavy.

Ho avy eo aminareo izy,

dia hahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo,

ka dia hionona ianareo ny amin’ny loza

nalefako hamely an’i Jerosalema,

dia ny amin’izay rehetra nataoko nihatra taminy.

23Hampionona anareo izy ireo,

rehefa mahita ny fitondran-tenany aman’asany ianareo,

ka ho fantatrareo fa tsy hoe tsy misy antony

ny nanaovako izay rehetra nataoko taminy,

- teny marin’ny Tompo Iaveh. -

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help